Zoma 12 Febroary 2027

Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady. Ohabolana 20:3

Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo ; fa hoy Izy : „Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. Hebreo 13:5

 

Mpandà lamina sa faly ?

Tao amina fanentanana ho an’ny tanora dia nisy tranom-bakoka momba ny olona sy ny voary, nanoso-kevitra hanao atrikasa „Afisy fandavana lamina”. Amin’izany ny ankizy dia notaomina hamboatra takelaka maneho an-tsary, araka izay tsara indrindra hainy, ireo fitakiany.

Isika dia miaina ao amina fiarahamonina maneho miharihary kokoa hatrany ny tsy fahafahampo. Tena mifanohitra tanteraka amin’ny toetran’ny apostoly Paoly izany ! Tany an-tranomaizina izy, nefa dia nahavita nanoratra hoe : „Izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana. Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo ; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho, ary hanam-be sy halahelo” (Filipiana 4:11-12). Voatery izy nianatra izany lesona izany, nandritra ny fiainany feno trangan-javatra samihafa tsy nampoizina.

Talohan’ny niovany fo ho an’ny Kristy izy dia olona mirona hamaly faty, ary mahery setra aza, manoloana ireo izay nanohitra ny heviny. Nefa nifanena taminy Jesosy, ary nanova ny fiainany. Fadiranovana izy ary tany am-ponja, nijaly satria tsy nahazo na inona na inona, ka rariny indrindra raha ho nitaraina na nitroatra. Nefa dia narahiny ny dian’i Jesosy, Izay „raha nijaly, dia tsy nandrahona” (1 Petera 2:23). Tao aminy no nanovozany hery sy fifaliana. Ampirisihiny ny mpino rehetra hizotra amin’io lalana io : „Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana” (1 Timoty 6:6).

Tsy mitondra fahasambarana ho antsika ny vola aman-karena. Matetika izy ireny dia mitondra antsika ho amin’ny fitsiriritana sy ny fialonana. Ny fiainana iaraha-miaina amin’i Jesosy kosa dia manome antsika ny fiadanana ao amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny tena fifaliana, na inona na inona toejava-mitranga eo amin’ny fiainantsika.