Alakamisy 11 Febroary 2027

Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 1 Jaona 4:9

Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12

 

Olona voaheloka, natsangana ho zanaka

Nomelohin’ny fitsarana handoa lamandy mavesa-be ity tovolahy iray. Tsy voaloany… Koa tsy maintsy haiditra any am-ponja ve izany izy ? Tampoka teo dia nambaran’ny mpitsara tao anatrehan’ny olona rehetra fa afaka ilay tovolahy meloka, satria nanaiky handoa ny lamandiny ny zanak’ilay mpitsara. Nanjary tia an’io tovolahy voaheloka taloha io ilay mpitsara, ka vonona mihitsy aza hiaraka aminy eo amin’ny fiainana, ho mpiantoka azy… toy ny hoe ray nanangana azy ho zanany.

Izany tantara izany dia sary manazava ny fomba amelan’Andriamanitra ny olona meloka.

Iza io voaheloka io ? Izaho ! Ary Andriamanitra no Ilay Mpitsara, nefa vonona hanjary Ray manangana ahy ho zanany. Na eo aza ny zava-dratsy rehetra nataoko teo amin’ny fiainako ary halany, Jesosy Zanany dia navelany hisolo toerana ahy, hizaka ny famaizana rehetra mendrika ahy. Tsy ho afaka nitranga mihitsy eo amina fitsaran’olombelona izany tantara izany, satria Andriamanitra irery ihany no manana fitiavana ampy hahafahany mamela ny fahadisoana nataoko. Ny Zanany irery ihany no afaka nanaiky hisolo toerana ahy hizaka ny fanamelohana notononin’Andriamanitra hihatra amiko. Nataony izany noho ny fitiavany ahy sy mba hananganany ahy ho zanany.

Tsy izaho irery ihany no olona navela heloka, notiavina sy natsangan’Andriamanitra ho zanany. Andriamanitra dia mamonjy ny olona rehetra mino fa tonga tetỳ an-tany Jesosy Zanany, novonoin’ny olona ho faty teo amin’ny hazofijaliana, nefa natsangany ho velona indray ! Rehefa teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, dia nanaiky Andriamanitra hampihatra taminy ny famaizany. Tiany ianao anio mba hino izany. Miandry anao Izy, feno fitiavana, mamelatra ny sandriny. Minoa fotsiny ihany, dia hovonjena ianao.