Alarobia 10 Febroary 2027
Tsy tahaka ny afo va ny teniko ? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ? Jeremia 23:29
Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 1 Petera 1:23
„Niaina fiainam-poana aho nandritra ny fotoana lava. Tsy nanana asa aho, ary nikatsaka ny fahafinaretana rehetra afaka omen’ny fiainana ahy, nivelona tsy nisy ahiahy tamin’ny volan’ny namako iray niaina fiainana toy ny ahy koa. Nanana Baiboly iray nomena ahy aho, saingy tsy nanokatra azy raha tsy handrovitra takelaka ao, hamonosako sigara.
Indray andro dia very io Baiboly io. Fotoana fohy taorianan’izany dia nanalavitra ahy ilay namako ratsy fiaina tahaka ahy. Voatery niasa aho mba hivelomako.
Tatỳ aoriana aho dia nitsidika an’io namako io. Ary hoy izy tamiko :
— Tokony hamboraka zavatra amin’ise aho : Indray andro aho dia nijanona tao an-tranon’ise, tsy tao ise tamin’izay. Noraisiko ny boky voalohany hitako : ny Baibolin’ise. Nosokafako ilay izy, ary izao no novakiko tao : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Nanohina ahy mafy io teny io, hany ka tena liana aho nanohy namaky. Dia nentiko ny Baibolin’ise. Boky toy inona moa io hitako io ! Ny Baiboly no naneho tamiko fa mpanota aho, eo anatrehan’Andriamanitra ; olona feno fahamelohana sy fadiranovana : nila famelan-keloka aho, nila fanadiovana sy fitsaharana. Dia hitako tao amin’i Jesosy izany fitsaharana izany. Ankehitriny izy dia Mpamonjiko. Sambatra aho ankehitriny. Nefa mangataka famelan-keloka amin’ise aho, nangalatra ny Baibolin’ise.
Taorianan’io fihaonana sy fijoroana ho vavolombelona io dia nanomboka namaky ny Baiboly koa aho, ary tsy ela dia nahita Ilay Mpamonjy nilaiko, dia Jesosy Kristy.”