Talata 9 Febroary 2027

Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala. Efesiana 5:1

Fa ho amin’izany no niantsoana anareo ; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany. 1 Petera 2:21

 

Ireo mpahatarika

Hatrizay hatrizay dia efa nisy olona nitady mpankasitraka hifikitra aminy. Ao amin’ny Baiboly, i Simona dia „nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra ; ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe” (Asan’ny Apostoly 8:9-10). Ankehitriny, ny „mpahatarika” amin’ny alalan’ny lazany eny amin’ny haino aman-jery, eny amin’ny tambajotran-tserasera, dia misintona ny sain’ny olona hifantoka aminy, mitarika ny fihevitr’izy ireo hanaraka ny foto-keviny…

Mifanohitra amin’izany kosa, Jesosy dia tonga tam-panetrentena nampahafantatra an’Andriamanitra amintsika. Vahoaka maro no nanaraka Azy, nefa nandritra ny fotoana fohy fotsiny, avy eo dia niala ny maro satria tsy nanana endrika ivelany nahafinaritra ny olona Izy. Tsy naharitra ny „fankamamiana” Azy ! „Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy… ka tsy mba nahoantsika”, hoy ny mpaminany (Isaia 53:3).

Na izany aza anefa, ny nanintona taminy dia ny fitiavany ny olona rehetra. Niainany izay nolazainy : „Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” (Jaona 15:13). Izany no nataony ho antsika rehetra. Na dia teo am-panomboana Azy aza ireo mpamono, dia nivavaka Izy hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia niaritra ny fanamelohana ny ota, fanamelohana mendrika antsika. Maty Izy nisolo toerana izay mino io fitiavana tsy misy fetra io. Ahitana tombontsoa ny mianatra hahafantatra Azy, ny mifikitra aminy, toy ny natao sy mbola ataon’olona maro. Amin’izay Jesosy dia tsy ny „mpahatarika” ny fiainako, fa ny Mpamonjiko. Izy no manome fiainam-baovao sy mandrakizay mba hitiavana Azy sy hanarahana Azy dieny ankehitriny.