Alatsinainy 8 Febroary 2027
Fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany (ny planiny) rahateo. Romana 8:28
Eo amina sarina hazofijaliana iray naorina tamin’ny taona 1637 any Roquefort-la-Bédoule, any atsimon’i Frantsa, dia ahitana ny sokitra hoe :
„— Izaho no fahazavana — nefa tsy mahita Ahy ianareo.
— Izaho no lalana — nefa tsy manaraka Ahy ianareo.
— Izaho no fahamarinana — nefa tsy mino Ahy ianareo.
— Izaho no fiainana — nefa tsy mitady Ahy ianareo.
— Izaho no Tompo — nefa tsy mihaino Ahy ianareo.
— Izaho no Andriamanitra — nefa tsy mivavaka amiko ianareo.
— Izaho no ilay namana akaiky — nefa tsy tia Ahy ianareo.
Koa raha ory ianareo, dia aza manome tsiny Ahy noho izany.”
Manoloana ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitra ireo, io sarina hazofijalina io dia ahitany ny toetra mampalahelo ananan’ny olona, hoe te tsy hila Azy. Ankoatra izany, rehefa misy zava-tsarotra mitranga, dia manome tsiny Azy izy !
Isika tsirairay ve tsy tokony hiaiky ? fa tamin’ny fotoana izatsy na izaroa teo amin’ny fiainantsika, dia efa nataontsika manokana ny iray amin’ireo fandavana voasokitra ireo. Raha tsy izany, fa miezaka mikatsaka an’Andriamanitra isika, miezaka hahita Azy, hanaraka Azy, hino Azy, hihaino Azy, hivavaka aminy, ho tia Azy, dia mianatra hahafantatra ireo toetran’Andriamanitra voasokitra eo amin’io sarina hazofijaliana io, sy mianatra hahatsapa hoe toy inona ny fitiavany antsika. Dia voaovan’izany ny fiainantsika, na tsy ilaozan-java-tsarotra aza. Nefa fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Araka izany, ny zava-tsarotra sy ny fifaliana dia samy avelan’Andriamanitra hitranga ary feheziny, mba hahasoa antsika, nefa ihany koa, ary indrindra, ho voninahiny.