Alahady 7 Febroary 2027
Hisy fifaliana toy izany any an-danitra, ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka. Lioka 15:7
Ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Lioka 15:32
Antom-pifaliana lehibe efatra (3)
Mpanota iray mibebaka
Ny antom-pifaliana fahatelo dia zavatra mbola mitranga ankehitriny, isaky ny misy olona miaiky fa mila Mpamonjy, ka mitodika am-pinoana amin’i Jesosy. Ny toko faha-15 amin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka dia maneho, amin’ny alalana fanoharana telo misesy, ny vokatra isaky ny mahatratra ny tanjona kendreny Andriamanitra, mahita ilay very taloha : fifaliana !
Ilay mpiandry ondry nahita indray ny ondriny very dia „faly” nody tany an-tranony, ary namory ny sakaizany sy ny mpiara-monina aminy, ka nilaza tamin’izy ireo hoe : „Avia hiara-mifaly amiko ; fa efa hitako ilay ondriko very” (Lioka 15:6).
Ilay vehivavy nahita indray ny farantsakeliny very dia namory ny sakaizany sy ny mpiara-monina taminy, ka nanao tamin’izy ireo hoe : „Avia hiara-mifaly amiko ; fa efa hitako ny farantsakely izay very” (and 9).
Ilay ray nahatazana ny zanany niverina tany aminy mba hangataka famelan-keloka, dia nandray azy tam-pifaliana, sy niteny hoe : „Aoka isika hihinana sy hifaly ; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray” (and 23-24).
Eny, fifaliana ranofotsiny ! rehefa misy mpanota iray miverina amin’Andriamanitra : fifaliana any an-danitra, fifaliana ho an’ny Mpamonjy, Izay nanefa sarany lafo aoka izany, mba hanavotana azy, ary fifaliana ho an’ilay manana ankehitriny fiainam-baovao nomen’Andriamanitra azy !
Endre ! fifaliana lehibe no miseho any an-danitra,
Rehefa misy mpanota iray mamaly ny antson’
Ny Mpamonjy Izay mitaona azy.
Voavela ho mandrakizay ny fahotany rehetra !
Jesosy manome azy aina sy fiadanana,
Ary mampialoka azy eo an-sandriny.