Asabotsy 6 Febroary 2027
Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ny tompony ; fa … ny oloko tsy misaina. Isaia 1:3
[Andriamanitra] efa nanao fahagagana … Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny. Salamo 98:1, 2
Ny olona izay mahalala an’Andriamaniny … dia hifikitra amin’izany ka hankatò azy. Daniela 11:32
Tsy te hatao hoe boriky mihitsy isika ! Satria ny boriky dia heverina ho biby tsy misy saina. Na izany aza anefa, ny teny voalohany androany dia maneho ny boriky ho manan-tsaina kokoa noho izay olona tsy mahalala ny Mpahary azy… Andriamanitra no milaza izany, ary tsapa ao amin’ny teniny ny alahelony be, alahelon’Ilay mba te hanana fifandraisana mihitsy amin’ny olombelona…
Vavolombelona tsy azo lavina no napetrak’Andriamanitra ny amin’ny fisiany, dia ny voary. „Izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho … Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1:19-20). Manan-kery tsy toha Andriamanitra ; na izany aza anefa dia tsy te hanery antsika Izy, fa miangavy antsika, miteny amin’ny fontsika.
Ankoatra izany, ambarana mpaminany iray ao amin’ny Baiboly fa izay mahalala an’Ilay Andriamaniny dia hahery, ary ho afaka miroso amin’izay ataony (teny fahatelo etsy ambony). Ho amin’izany aho dia tokony handray ny famonjena atolotr’Andriamanitra ahy amin’ny alalan’ny nahafatesan’i Jesosy ho ahy teo amin’ny hazofijaliana. Izy Jesosy tenany no nilaza hoe : „Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Mihoatra noho ny hoe fiainana maharitra izany, satria fiainana ananana an’i Jesosy ho Mpamonjy sy an’Andriamanitra ho Ray, dieny ankehitriny. Fiainana mivelatra, ombana fifaliana afaka sitrahiko, nefa koa zava-tsarotra tsy maintsy atrehiko, izaho izay ampaherezin’Ilay Andriamanitro… Andriamanitra fantatro hoe Mpahary sy Mpamonjy Ahy. Izany ve no ahafantaranao Azy ?