Zoma 5 Febroary 2027

(Hoy Jesosy :) Koa tandremo ny fihainonareo. Lioka 8:18

Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra. Salamo 66:16

 

Fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana

Ny teny hoe „fiovam-po” dia midika ho „fiovana zotra”. Rehefa miova fo ho an’i Jesosy Kristy isika, izany hoe mandray Azy ho Mpamonjy, dia miova lalana ka mandeha amin’ny lalana mifanipaka tanteraka amin’ilay narahintsika teo aloha, lalana mitondra ho amin’ny fahaverezana. Jesosy dia manome fiainam-baovao ho an’izay mino Azy, ary io aina io no mamelona sy mitondra azy ho mandrakizay.

Na izany aza anefa, ny mino tsy akory tsy toy ny mipetraka ao amina fiarandalamby mivantana avy hatrany any amina fitodiana iray ! Isika dia eo amin’ny familiana fiarakodia, eo amina lalana maro sampanana, sakana, zavona, ary indraindray amina lala-malama tsy ampoizina.

Soa ihany Andriamanitra fa mametraka takelaby famantarana, mba hahafantarantsika izay tokony hizorantsika. Eo amin’ireny takelaby ireny isika mahita fandrarana hentitra, lalana tsara haleha, na koa fampitandremana ny amina loza mety hitranga. Ary raha sarotra indraindray ny manavaka ireny famantarana ireny, noho ny saintsika manjavozavo, dia manome antsika ny fanampiana ilaina Andriamanitra. Ndao hiato, ka hamaky ny Baiboly, izay mampianatra antsika hamantatra ireny „takelaby” ireny, sy handray azy ireny am-pahamatorana. Ny Fanahy Masina dia misarika ny saintsika hijery azy ireny, rehefa tsy jerentsika intsony izy ireny. Ndao hangataka amin’Ilay Andriamanitsika hoe : „Noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy” (Salamo 31:3).

Isika ve maniry hanao izay mahafaly an’Andriamanitra ? Ndao hosorohina ireo fiolanolanana tsy ilaina, ary hialana ireo fijanonjanonana mety hitera-doza. Ndao hihaino ny feon’Ilay mpanoro lalana antsika, Izy no hampiroso antsika am-pitandremana mankany amin’ny tanjona, tsy hitaredretra na hikoropadropaka, Izy no hitarika antsika ho tody soa, na eo aza ireo zava-tsarotra eny an-dalana.