Alakamisy 4 Febroary 2027

(Hoy Andriamanitra :) Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:19

Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36

 

Mankaiza ?

Inona no hiheverantsika mpitondra fiarakodia tonga eo amina sampanan-dalana ka manontany ny lalany amina mpandalo iray, sy milaza aminy fa tsy mahafantatra izay tiany haleha ? Afaka hamaly io mpandalo io hoe : mandehana amin’izay lalana tianao haleha àry, dia ho tonga any amin’izay tianao hitodiana ianao ! Mampihomehy antsika izany toejavatra izany, nefa ve izany tsy mifandraika amin’ny fihetsik’olona maro eo amin’ny lalan’ny fiainana ? Izy ireny dia mandeha amina lalana maro samihafa, arakaraka ny anton-javatra mahaliana azy sy ny fialamboly tiany. Dia ailika ny fiheverana ny amin’ny fahafatesana sy ny any ankoatra. Misy tokoa angamba Ilay „Andriamanitra bonaika”, nefa heverina fa mitondra mankany aminy ny lalana rehetra, ka hanaiky handray antsika Izy, indrindra raha misy asa soa vitsivitsy nataontsika.

Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa roa ihany ny lalana diavintsika eo amin’ny fiainana. Tian’Andriamanitra, Ilay Mpahary, ny hanana fifandraisana maharitra, feno fatokiana sy fitiavana, amin’ny olombelona. Indrisy anefa ! fa tapaka io fifandraisana io, taorianan’ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva. Nilatsaka ny fanamelohan’Andriamanitra : „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27) — Io no fitodiana voalohany.

Andriamanitra anefa dia tia ny olona rehetra. Noho izany Izy dia namorona drafitra mahatalanjona, mba hitondra fahasambarana ho azy ireo. Jesosy Kristy Zanany dia „nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany” (1 Petera 2:24) teo amin’ny hazofijaliana, ary nisolo toerana antsika, niaritra ny fitsaran’Andriamanitra. Nanomboka hatreo, izay mino Azy dia „manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina” (Jaona 5:24) — Io no fitodiana faharoa.

Ndao hizotra amin’ny lalana tsara, dia ilay mandalo amin’ny finoana an’i Jesosy. Io no mitondra antsika ho amin’ny hasambarana ankehitriny sy mandrakizay.