Alarobia 3 Febroary 2027
Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105
Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:162
Miara-mandray fiarandalamby amin’i Richard isa-maraina i Claude, rehefa handeha hiasa. Tsy mba mifampiteny mihitsy izy roa lahy, nefa hitan’i Claude ity mpiara-miasa aminy, sondriana mamaky mandrakariva ilay boky kely mainty. Angamba boky mahavariana izy io !
Indray andro dia tsy naharitra izy. Nanontaniany an’ilay namana mpiara-dalana aminy ny antony amakiany tsy tapaka io boky io. „Tsy boky tahaka ny hafa rehetra ity, hoy i Richard namaly, fa ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra.” Ny ampitso maraina dia nomeny Baiboly iray i Claude, ary niha lasa eritreritra kokoa hatrany, ka rafitra namaky koa.
Tsy boky tahaka ny hafa rehetra tokoa ny Baiboly. Asehony antsika ny tantaran’ny olombelona, mbamin’ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao, ny ota loharano-na fahoriana tsy tambo isaina eto an-tany. Ao anatin’io boky io Andriamanitra dia maneho ny tenany ho Mpahary, nefa koa ho Andriamanitra feno hevi-pitiavana antsika. Hitantsika ao Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, nidina tetỳ an-tany, nitondra famonjena ho an’ny olona very, famonjena tamin’ny nanomezany azy antoka ny amina fahasambarana mandrakizay, amin’ny alalan’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Ny Baiboly no mitondra valiny ho an’ny fanontaniantsika, sy fampiononana sarobidy ho an’ireo izay mijaly. Ao isika dia mahita lehilahy sy vehivavy be finoana, niaina niantehitra tamin’Ilay Andriamanitra Mahery.
Te haneho ny tenany amin’ny olona rehetra Andriamanitra. Rehefa mamaky ny Baiboly amin’ny fo mahitsy ianao, tahaka an’i Claude, dia hahita harena maro samihafa ao. Ho an’ny mino, ny Baiboly dia „fahamarinan’ny teny mahatoky” (Ohabolana 22:21), torolalana ho an’ny fiainantsika sady loharano-na fifaliana ranofotsiny sy lalina.