Talata 2 Febroary 2027
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao ; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao ; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao … ; nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany. Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny : Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo. Mpitoriteny 11:9 ; 12:13
Ny olombelona dia mikatsaka mandrakariva ny fahasambarana ; mihevitra ny hahatratra izany izy amin’ny alalan’ny fahombiazana eo amin’ny asany, ny fivoarana manokana amin’ny maha olona azy, ny fiainana ara-piarahamonina mivelatra… Nefa miserana ihany ireny fifaliana ireny, matetika ; mety ho foana tampoka. Tsy ampy izy ireny hahatony ny faniriana lalina ao anatin’ny olona, na hahafapo ny filany filaminana. Mety hahomby izy amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainany eto an-tany, nefa izany tsy ahazoany antoka ny amin’ny hoaviny mandrakizay.
Ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny, i Solomona mpanjaka dia milazalaza ny fiainan’olona iray mikatsaka ny fahasambarana eto an-tany. Mitady an’izany any amin’ny sehatra rehetra izy, nefa raha tsy mamela an’Andriamanitra hiditra an-tsehatra, dia tsy hahita izany, na dia lehibe aza ny enti-manana eo am-pelatanany. Torohevitra feno fahendrena no amaranan’io boky io ny teniny, dia hoe : „Matahora an’Andriamanitra”.
Ny olona dia zavaboary, fa tsy vokatry ny kisendrasendra tampoka tsy akory : noarìn’Andriamanitra ho Azy tenany izy. Raha mbola tsy miraharaha hatrany ny Mpahary azy ny olombelona, ary tsy mitodika afa-tsy amin’ny tenany samirery ny fiheviny, dia tsy hifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra ho azy izy.
Andriamanitra dia nanome ho an’ireo zanany zavatra tena lehibe lavitra noho izay rehetra mety ho hain’izao tontolo izao hoentina ho azy : nomeny antsika i Jesosy Kristy Zanany, Izay maty mba hanaisotra ireo fahotantsika. Raha mino Azy isika, dia voavela heloka. Azo antoka ny hoavintsika mandrakizay, ary dieny ankehitriny isika dia afaka miaina ny fiadanana sy ny fifaliana omen’Andriamanitra antsika. Isika ve mahay misitraka ireo fanomezana ireo, avy amin’Ilay Andriamanitsika ? Izay Raintsika ao amin’i Jesosy ; haintsika ihany koa ve ny miaina am-pifaliana eo akaikiny ?