Alatsinainy 1 Febroary 2027
Isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay (Jesosy) efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Hebreo 4:15
Isika rehetra, amina fotoana izatsy na izaroa, dia mila olona mihaino antsika. Saingy matetika isika no mamboraka amin’olona iray ny mahazo antsika, dia diso fanantenana ! Mihaino antsika io olona io, nefa tsapantsika amin’ny fihetsiny na ny valinteniny fa tsy tena takany ny zavamisy. Tsy takany satria tsy eo amin’ny toerantsika izy. Indraindray, mba hanehoany ny fiombonam-pony, dia tantarainy antsika ny zava-dratsy nanjo azy. Nefa tsy tena mitovy na oviana na oviana amin’izay mahazo antsika !
Ny Teny androany dia manambara amintsika fa tsy izany no mitranga rehefa miresaka amin’i Jesosy isika ! Tsy very maina na oviana na oviana ny fanokafantsika ny fontsika aminy, tsy tahaka ny amin’olona tsy afaka mahatakatra. Nahoana moa ? Satria Izy efa niharan’ny fitsapana rehetra mety hihatra amin’ny olombelona, ankoatra ny ota ! Satria Andriamanitra tonga olona Izy, dia afaka mahatsapa ny fihetsehampo rehetra mety ho ao anatin’ny olombelona.
Teraka tahaka Zazakely Jesosy, ka afaka mahatakatra izay tsapan’ny zaza. Nandalovany ny dingana samihafa maha zaza, tanora, ary olon-dehibe. Tsy nisy olona nijaly ara-batana na ara-toe-panahy tahaka an’i Jesosy. Tsy takatry ny olona ny nahazo Azy, natao tsinontsinona Izy, nivadihan’ireo olona akaiky Azy, nailika. Tsy nisy olona nanana alahelo sy tebiteby tahaka Azy (Lioka 22:44). Izy no Ilay hany marina, nanana fitondrantena naneho fitiavana lavorary, tonga hatramin’ny nanolorany ny ainy, nefa dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, tao anatin’ny henatra sy ny fahafahambaraka.
Nefa natsangan’Andriamanitra ho velona indray Jesosy ary mipetraka eo anilany. Koa ndao hanatona Azy amin’ny alalan’ny finoana ombana fatokiana feno. Any an-danitra Izy dia mitoetra hatrany ho Ilay olona mahatoky, mahatakatra ny manjo antsika sy tia antsika.