Alahady 31 Janoary 2027

Hoy ny anjely taminy : … Indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe … ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo… Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo, ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe : Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ! Lioka 2:10-14

 

Antom-pifaliana lehibe efatra (2)

Ny nahaterahan’i Jesosy Ny antom-pifaliana lehibe faharoa dia ny nahaterahan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy izao tontolo izao. Zava-mitranga tena miavaka ! Andriamanitra, Ilay Mpahary izao tontolo izao, „Izay mamelona ny zavatra rehetra” (1 Timoty 6:13), mampisy ny zavatra rehetra, dia tonga olona, ary nanomboka ny fiainany tetỳ an-tany, naka ny endrika zazakely, niankin-tena tanteraka tamin’ny ray aman-dreniny. Izany fietrena tsy hay heverina sy tsy takatry ny saina izany dia antom-pifaliana goavana, tany an-danitra sy tetỳ ambonin’ny tany ! Ambaran’ny Baiboly antsika fa ireo anjely dia nihoby tamin’ny alalan’ny hira fiderana, nanoloana izao zava-miafin’ny fahatongavana ho olona izao : Andriamanitra tonga olona, mba hamonjy ny olombelona noarìny, izay tiany amina fitiavana mahatalanjona. Eny, afaka mifaly amin’ny fontsika manontolo isika, satria Andriamanitra dia tsy nijanona ho Andriamanitra lavitra any an-danitra, ary tsy nahafoy antsika tao anatin’ny toetra maha mpanota antsika, mpanota tsy mahay manatona Azy. Izy no nanatona antsika, naka ny endrik’io zazakely io. Antony hankasitrahana sy hifaliana toy inona moa izany ! manoloana fitiavana tahaka izany. Endre ! fifaliana toy inona moa no niseho avy hatrany tany an-danitra, Nony teraka Jesosy, Imanoela ! Teraka tetỳ an-tany tanatin’ny fahalemena. Hoy ireo anjely masina : „Voninahitra ho an’ny Tompo ! Fiadanana ho etỳ an-tany !” Dia niara-nibitaka ireo anjely avy any an-danitra ireo.