Asabotsy 30 Janoary 2027

Zakaiosy … nanao tamin’ny Tompo hoe : … raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany. Ary hoy Jesosy taminy : Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena… Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very. Lioka 19:8-10

 

Ny vokatra hita maso ateraka fiovampo

Tamin’ny volana septambra 2023, ny lehibe-na hôpitaly iray dia naharay taratasy tsy fahita firy, avy tamina mpiasa iray tao taloha, nandritra ny taona maromaro. Izao no nosoratan’ilay ramatoa :

„Andriamatoa Tale, mandefa ity taratasim-bola ity aminao aho, ary mangataka am-panetrentena anao mba hamela ny fahadisoako. Nandritra ireo taona niasako tao amin’ny hôpitaly aho dia naka tamin’ny fanafody tao, nanaovako ny tahirim-panafodiko. Nifanena tamin’ny Tompo Jesosy aho, ary nataony navesatra tato am-poko ny hanonitra izany aminao. Isaorako eram-po ianao, manaiky izany.”

Fijoroana ho vavolombelona tsotra sy mampihetsi-po anie izany e ! ny amin’izay hain’i Jesosy atao, rehefa manova fiainan’olona Izy. Euros am-polony vitsivitsy monja ny fatiantoky ny hôpitaly. Tsy dia fahadisoana toy inona ny naka boatim-panafody vitsivitsy nandritra ny taona maromaro… nefa ny tena fiovampo ho an’ny Kristy dia miteraka ao anatin’ny fo, faniriana fahamarinana, fahazavana, fahitsiana, sy finiavana hanonitra araka izay tratra ny ratsy natao.

Tamin’ny andron’i Jesosy, indraindray ny mpamory hetra dia nanararaotra ny toerany mba hanangonan-karena. Fa i Zakaiosy kosa dia nanao ny dingana voalohany, tamin’ny fizarany ny fananany ho an’ny mahantra, sy tamin’ny nanonerany avy efatra heny ny nataony tamin’ireo nakany tsy ara-drariny. Nanatona an’i Jesosy izy, Jesosy Izay tonga hatrany an-tokantranony. Nambaran’i Jesosy teo anatrehan’ny olona rehetra fa tonga tao amin’io trano io ny famonjena. Nanova ny fiainan’i Zakaiosy izany.

Eny, amin’izao androntsika izao, toy ny tamin’i Zakaiosy, ny fifanenana manokana amin’ny Tompo Jesosy dia manova fiainana amina endrika hita maso !