Zoma 29 Janoary 2027
Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18
Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra ? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako. Fitomaniana 1:12
Andriamanitra dia masina. Tsy azony ekena ny ota. Izay olona lavorary ihany no ho afaka mifandray aminy, nefa iza amintsika moa no afaka hilaza fa tsy nanao ratsy mihitsy ? Tsy afaka hijoro eo anatrehan’Andriamanitra isika. Meloka avokoa isika rehetra, eo amin’ny fitsaràny, ary „fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23).
Nefa neken’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ny nandao ny lanitra sy nanjary olona, mba hamonjy antsika. Tsy nisy ota ny fiainany tetỳ an-tany. Nanasitrana ny marary Izy, nampionona ireo izay nijaly. Ny asa rehetra nataony dia feno fitiavana sy fahamasinana avokoa ; nasehony tamin’ny olona ny atao hoe fiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Na izany aza anefa dia nanapa-kevitra hanameloka an’i Jesosy ny olona. Nohomboany teo amin’ny hazofijaliana Izy. Afaka nidina avy teo amin’ny hazofijaliana sy niakatra any an-danitra Jesosy, nefa dia navelany ny olona hanao izay tian’izy ireo hatao Azy. Nijaly fatratra Izy ara-batana, ary nijaly mafy ara-panahy rehefa nizaka ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota. Ambaran’ny Baiboly fa Jesosy dia „nataony ota hamonjy antsika”. Araka izany dia nomelohina Izy, nisolo toerana antsika (2 Korintiana 5:21). „Nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” Izy (1 Timoty 2:6), toy ny hoe Izy no nanao ny fahotana rehetra nataontsika. Nihatra taminy ny fitsaran’Andriamanitra. Koa raha te hifandray aminy isika, dia aoka hanaiky ho antsika manokana ny fahasoavany, izay miorina amin’ny sorona nataon’ny Zanany.
Tsinontsinona ve izany ? aminao izay mahafantatra. Maty Jesosy, nisolo toerana antsika, nisolo toerana ahy. „Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20). Dia tsy hampiraika ny fontsika ve izany ?