Alakamisy 28 Janoary 2027
Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Lioka 15:20
Anaka, atolory ahy ny fonao. Ohabolana 23:26
Eo amin’ny fiainantsika dia fanontaniana maro, „nahoana” maro no tsy misy valiny. Nefa mba tiako ny hiresaka ny zava-miafina ambaran’ny tantaran’ity ray sy ny zanany mirahalahy ity (Lioka 15:11-24). Ireo zanaka ireo dia maneho antsika, satria Andriamanitra nahary antsika dia toy ny „niteraka” antsika.
Alahelo toy inona moa ny an’ity ray ! nahare ny zanany faralahy niteny taminy hoe : „Dada a, te haka ny fananana rehetra sy fahafaha-miaina rehetra omenao ahy aho, ary te hiaina lavitra anao”. Izany indrindra no zava-doza ataon’ny zanak’olombelona ! Tsy takatsika fa Andriamanitra dia miteny amintsika tsirairay hoe : „Zanako ianao. Inoanao ve izany ?” Ny manohina ahy dia ny zava-miafin’ny fitiavan’ilay ray, rehefa nandeha ity zanany. Tsy nanome tsiny azy izy, fa niandry ny hiverenany.
Io zanaka faralahy io dia nandanilany foana ny fananany rehetra, ary avy eo nahatsiaro ny rainy izay tia azy, nanome azy ny zavatra rehetra. Niverina taminy izy, nihevitra hiteny hoe : „Raiko ô, efa nanota … aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony ; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho.” Mbola tsy nanoka-bava akory izy dia nihazakazaka ny rainy ary namihina ny vozony, nanoroka azy, toy ny miteny aminy hoe : „Ny zavatra sarobidy indrindra amiko dia ny fitiavako anao”. Izany no lazainy antsika tsirairay.
Nihevitra ny tenany ho toy ny olona karamaina ilay zanaka, nefa hoy kosa ny rainy : „Anaka”. Ela isika vao mahatakatra ny fahasoavan’Andriamanitra. Mihevitra ny tenantsika ho tsy mendrika ny famelan-keloka atolony isika, mihevitra ho tsy mendrika ny halehiben’ny fitiavany, mandra-pahatakatsika hoe tsy takalom-pahamendrehana ny fahasoavana, fa raisina am-pahatsorana fotsiny. Tonga ny Ray, manome izay rehetra ilaina amin’ny fiainana, nefa manome koa izay tsy afaka ho ritran’ny mandrakizay, dia ny zava-miafin’ny fitiavany.
André