Alarobia 27 Janoary 2027
Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany… Mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ny fahoriany rehetra. Salamo 34:15, 17
Volana jona 1942. Niala tany Côte d’Ivoire niaraka tamin’ny zanany kely roa i Ethel Bell, vehivavy misionera mananotena, ary niondrana hankany Etazonia. Dia lavitra notandindomin-doza io : tsy azo antoka ny ranomasina tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny voalohany dia toa nandeha tsara ny zavatra rehetra ; tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina anefa, nisy sambo mpisitrika iray nikaroka lasibatra. Tampoka teo dia voana balan-tsambo mpisitrika ilay sambo, ka rendrika tao anatin’ny minitra vitsy. Olona 19 no tafavoaka velona, navezivezina zahatra nandritra ny 20 andro, anisan’izany ramatoa Bell telo mianaka. Voafetra ny rano sy ny sakafo. Fery, toetrandro ratsy, antsantsa : nampamoy fo ny toejava-nisy ! „Aoka hivavaka ireo izay mino fa misy ilàna azy ny vavaka !” hoy ny kapiteny.
Nivavaka ramatoa Bell, ny finoany feno fahatoniana dia nanohana ireo tra-doza very tany afovoan’ny ranomasimbe, ary novalian’Andriamanitra ny vavaka nataony. Noraisina sambo iray izy ireo, notsaboina tao, nomena hanina, ary avy eo nampodina soa aman-tsara. Tatỳ aoriana ramatoa Bell dia nanoratra, tao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe „Mpiantsambo rendrika”, izao teny izao : „Ny vavaka no antony lehibe indrindra amin’ny fahavelomantsika sy ny famonjena antsika. Tsy misy tsy hay hatao, raha mivavaka isika. Ny vavaka no hery lehibe indrindra eto amin’izao tontolo rehetra izao… Mahalana loatra isika no mampiasa io fitaovam-piadiana natolotr’Andriamanitra antsika io. Mivavaha, mivavaha tsy an-kiato !”
Ny vavaka dia manetsika ny sandrin’Andriamanitra. „Kely angamba ny finoantsika, nefa miantehitra amin’Andriamanitra Izay lehibe” (Hudson Taylor, misionera tany Chine). Aza mijery ny tsy hain’olona atao isika, fa mijere Ilay Andriamanitsika Izay mahay ny zava-drehetra, tia antsika sy te hanafaka antsika. Aza miandry zava-tsarotra hitranga isika vao mivavaka, fa aoka hivavaka eo amin’ny toejavatra rehetra eo amin’ny fiainantsika.