Talata 26 Janoary 2027

… mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:5

 

Miantoraka eny an-tsandriny

Nitsangantsangana niaraka tamin’i Thérèse zafikeliko aho, ary teny an-dalana teny an-tendrombohitra dia nisy vatolampy iray naha te hianika. Vetivety foana dia teny an-tampony izy. Saingy ny olana dia ny hidina avy eny. „Mitsambikìna, anaka !” Nisalasala kely izy… dia indro fa tetỳ an-tsandriko. Natoky ahy i Thérèse. Tsy nieritreritra ela izy, nandanjalanja ny mahamety sy tsy mahamety izany, na nihevitra ny loza mety hitranga… Tsia, nitsambikina izy, nanana antoka fa izay no hany fomba hahatonga azy etỳ ambany, tsy misy atahorana. Nino ahy izy !

Ohatra tsara maneho ny finoana izany e ? Ny finoana dia fanehoana fatokiana an’Andriamanitra, Izay miantso antsika. Izany koa dia fanehoana fiantorahana tanteraka, fanekena tsy hifehy ny zavatra rehetra, fialana amin’ny fantatra ho any amin’ny tsy fantatra, fanarahana Ilay tsy hita maso nefa velona. Ny finoana dia fialana amin’ny toerana anaporofoana ny zavatra rehetra, ikajiana ny zavatra rehetra. Ny finoana dia fanekena an’Andriamanitra hoe te hanao soa antsika sy mahafantatra tsara kokoa noho isika izay ilaintsika.

Aza afangarontsika ny finoana sy ny fifikirana amina endri-pivavahana sasantsasany. Tsia, ny finoana itaoman’ny Baiboly antsika dia ilay finoana mamonjy, fa tsy fitambarana fahalalana, ilay fatokiana tanteraka an’i Jesosy Kristy tonga tetỳ an-tany mba hampihavana antsika amin’Andriamanitra sy hampahafantatra Azy amintsika. Ny finoana dia fametrahana tanteraka ny fiainantsika amina Mpamonjy tia antsika.

Te hiantoraka eny an-tsandrin’Andriamanitra ve ianao ? Amin’izay dia ho hitanao sahady eo amin’ny fiainanao eto an-tany ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra : ny famonjeny, ny fifaliany, ny fiadanany. Ary ho an’ny fiainanao any ankoatra, hoavy mahatretrika azonao antoka eo amin’ny fanatrehan’i Jesosy !