Alatsinainy 25 Janoary 2027
(Hoy Jesosy nanontany ny mpianany :) Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe : Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Matio 16:15-16
Hoy ny gazety-boky kristiana iray : „Ny hoe finoana kristiana dia ny famaliana ny fanontanian’ny Kristy hoe : Iza moa Aho, aminareo ?” Fihevitra tena mitombina izany, mampahatsiaro ny valintenin’i Petera, ilay mpianatra, hoe : „Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona (Zanak’Ilay Andriamanitra velona)”.
Jesosy dia maneho ny tenany ao amin’ny Filazantsara manontolo ho „ny Zanak’olona”. Nefa tsy azo nampifangaroina tamina olona hafa Izy. Ilay Zaza masina naterak’i Maria tokoa mantsy dia tsy maintsy nantsoina hoe „Zanak’Andriamanitra” (Lioka 1:35). Ireo anaram-boninahitra roa nolazain’i Petera dia maka ny heviny manontolo, ho an’ny finoana kristiana.
Ny Kristy : Io anaram-boninahitra io dia fiekena fa Jesosy tokoa, Izay tonga teo anivon’ny olombelona, no Ilay Mesia (Ilay Mpanjaka) nambaran’ireo mpaminany tamin’ny Israelita, sady Ilay Mpamonjy koa. Ny hoe „Jesosy” dia midika amin’ny teny hebreo hoe „Andriamanitra mamonjy”. Mpamonjy Izy, satria tsy maintsy niaritra fijaliana tamin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana (Lioka 24:26). Ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany velona indray dia tsy maintsy nilaina, mba hanafaka ireo rehetra mino, na Jiosy na tsy Jiosy.
Zanak’Andriamanitra velona : Hoy ny Baiboly amintsika : „Voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20:31). Ny anaram-boninahitra hoe „Zanak’Andriamanitra” dia midika fa Jesosy tenany dia nanana ihany koa tao aminy ny toetra maha Andriamanitra. Ny fanafahana tanteraka ny olombelona dia tsy maintsy avy amin’Andriamanitra irery ihany, Izay velona mandrakizay ary manome ny aina. „Kristy, Izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay” (Romana 9:5).