Alahady 24 Janoary 2027

Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany ? … Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra ? Joba 38:4, 7

Lehibe ny asan’i Jehovah, ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy. Salamo 111:2

 

Antom-pifaliana lehibe efatra (1)

Ny fahariana Ny Baiboly dia miresaka amintsika trangan-javatra efatra izay antom-pifaliana lehibe. Na lasa ireo, na ankehitriny na ho avy, dia mahafaly an’Andriamanitra ; noho izany dia afaka mifaly koa isika, noho ireo ! Ny fahariana izao tontolo izao no voalohany amin’ireo antom-pifaliana ireo : Andriamanitra nahary izao tontolo rehetra izao, manomboka amin’izay lehibe indrindra ka hatramin’izay kely indrindra, ary napetrany teto amin’izao habaka midadasika izao ny planeta Tany, izay namboariny tsara mba ho afaka mandray ny olombelona. Tsara sy kanto ary lavorary ny zavatra noarìn’Andriamanitra. Raha vao vitany ny asany dia „hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary indro, tsara indrindra izany” (Genesisy 1:31). Andriamanitra, amin’ny alalan’ny zavatra noarìny, dia mampahafantatra ny fiandrianany sy ny heriny mandrakizay : Izy no „Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny, sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny, ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany” (Jeremia 10:12). Eny, nivoaka lavorary tamin’ny tanan’ny Mpahary ny voary, antom-pifaliana mahatalanjona sy antom-piderana an’Andriamanitra. Nihoby avokoa ny anjelin’ny lanitra, antsoina hoe „zanak’Andriamanitra”, ao amin’ny Teny androany. Asehon’Andriamanitra antsika amin’izany ny halehibeny, ary miaraka amin’izany Izy dia manomana ny toerana handraisany ilay zavaboary tena miavaka nataony tahaka ny endriny, dia ny olona. Endre ! fifaliana lehibe no niseho tany an-danitra, Rehefa nipoitra ny mazava, Noho ny feon’Ilay Mahery, Ilay Mandrakizay ! Rehefa novelariny tamin’ny sandriny ny lanitra, Rehefa namboatra ny tany ny tanany, Tamin’ny namelarany ny fahefany feno voninahitra ! (hitohy amin’ireo herinandro manaraka)