Asabotsy 23 Janoary 2027
Ny fisainan’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy. Salamo 25:14
Aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany. Jakoba 1:22
Rehefa mijery varavaram-pitaratra misarisary avy eny ivelana katedraly isika, dia tahaka fitambatambarana vakim-pitaratra miparitadritaka sy matroka no fahita azy. Fa rehefa miditra ao anatiny kosa isika, dia akory ny fahasamihafana ! Feno karazan-doko sy hazavana ilay varavaram-pitaratra. Hita ny hakantony, voaray ny hafatra entiny, ary deraina ny talentan’ilay mpanakanto nanao azy.
Toy izany koa ny Tenin’Andriamanitra. Ilaina ny misahirana sy maka fotoana „hidirana” ao anatin’io boky io. Varavaram-pitaratra misarisary tarafina hazavana feno izy io, rehefa ampahatsahivin’ny Baiboly ny hakanton’ny fahariana, ny nahaterahan’ny Kristy, ny hazofijaliany… Raha jerena amina hazavana malefadefaka kokoa, dia mambabo antsika ny antsipirian-javatra asehony, rehefa hazavain’i Jesosy hoe iza moa no namako, hatraiza ny famelany heloka, ny fitiavany… Ny tsirairay, araka izay fahalalany sy zava-niainany, dia hahita ao perla miteny aminy. Ary izay manatona am-panetrentena ireo lahatsoratra ireo dia hahita ny tena tanjona kendreny : miteny amin’ny fo sy fieritreretan’ny mpamaky tsirairay ary mampahita azy hoe iza moa no nanoratra ireo, dia Andriamanitra mihitsy.
Rehefa azo izany faharesen-dahatra izany, ny famakiana ny Baiboly dia mitarika antsika ho amin’ny finoana an’Andriamanitra sy izay lazainy momba ny drafitra famonjeny ho an’ny olombelona. „Tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” (Romana 1:16).
Farany, ny hoe mamaky ny Baiboly dia ny manaiky hidiran’ny hazavany, mba hiaina izay lazainy antsika. Dia hiasa ny heriny manova ny fihevitra sy fitondrantenantsika. Fandrosoana iray dia hitondra fandrosoana iray hafa. Ny tsiambaratelo lehibe hahatakarana tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra dia ny mampihatra izay efa nampianariny antsika.