Zoma 22 Janoary 2027

Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa, dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:1-2

 

Ny fomba itenenan’Andriamanitra amintsika

Tsy ny olona no mahita an’Andriamanitra, fa Andriamanitra no maneho ny tenany amin’ny olona. Ataony izany aloha, amin’ny alalan’ny voary : ny hakanton’ny lanitra rakotra kintana, ny rivotra mitsoka any an’ala, ny fofona manitra sy lokon’ny voninkazo… Tsy tambo isaina ny porofon’ny hery sy fahendren’Ilay Mpahary. Mila maka fotoana handinihana sy higagana mahita azy ireny fotsiny isika ! „Ny zavatra rehetra samy nataony (nataon’Andriamanitra) ho mendrika amin’ny fotoanany avy” (Mpitoriteny 3:11).

Manaraka izany, Andriamanitra dia niteny tamin’ny olona fahiny, indrindra fa tamin’ny mpaminany, ary tonga amintsika amin’ny alalan’ny teny ao amin’ny Testamenta Taloha ny feon’izy ireny. Ireny hafatra ireny dia tsy matahotra mitantara ny tantara ratsin’ny zanak’olombelona, nefa koa ny halehiben’Andriamanitra, ny fahamarinany, ary ny hamorampony amin’ny olona.

Ary farany, Andriamanitra dia mbola nanakaiky kokoa antsika, ary niteny tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Io hafatra io dia manenika ny Baiboly manontolo : nambara mialoha ao amin’ny Testamenta Taloha i Jesosy, ary ny fiainany tetỳ an-tany dia resahin’ireo filazantsara ; ny hafatra mahatalanjona nentiny voarakitra ao amin’ireo filazantsara, ary avy eo nambaran’ireo apostoly ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, dia hazavaina ao amin’ireo epistily. Farany, ny Apokalypsy dia milaza mialoha ny hiverenany am-boninahitra, mba hitsara ity tany ity sy hametraka fanjakana fahamarinana sy fiadanana eto.

Araka izany, ny Baiboly dia ny feon’Andriamanitra. Feo fahamarinana, feo fitiavana. Ny Baiboly dia tsy manafina na inona na inona ny amin’ny toetra mahonenan’ny olona, izay mpanota sy mpikomy amin’Andriamanitra. Nefa koa mandraka ankehitriny izy dia mbola manambara hafatra mifono fitiavana sy fahasoavana : tao amin’i Jesosy Kristy, Andriamanitra dia nanome antsika Mpamonjy, ary izay mino Azy dia manana fiainana mandrakizay (Jaona 3:16).