Alakamisy 21 Janoary 2027
Ry Jehovah ô… Ianao… madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy. Habakoka 1:12-13
Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8
Ny fahotana dia fihetsika manohitra ny sitrapon’Andriamanitra. Ny mpanota dia ny olona nanao io fihetsika io. Na oviana na oviana Andriamanitra tsy mampifangaro ireo zavatra roa ireo. Mitovy amin’ny fankahalany ny fahotana ny fitiavany ny mpanota, na izany aza.
Tsy tiany ny lainga, nefa tiany mandrakariva ny mpandainga, na izany aza.
Halany ny halatra, nefa tiany ny mpangalatra, na izany aza.
Mankahala ny heloka bevava Izy, nefa tia hatrany ny mpanao heloka bevava, na izany aza.
Raha ny momba anao indray, dia tia anao Andriamanitra, na dia tsy afaka mankasitraka izay ataonao aza.
Na oviana na oviana Andriamanitra tsy mampifangaro ny fitondrantenan’olona iray sy io olona io. Koa taomina ny mpino ho tia ny olona rehetra, nefa tsy hankasitraka ireo asa ratsiny. Angatahina mihitsy aza isika ho tia ny fahavalontsika (Matio 5:44) ! Indraindray isika rehefa tafintohina noho ny fitondrantena ratsin’olona iray, dia manilika io olona io mbamin’ny asa ratsiny. Tsy mba manao toy izany Andriamanitra. Satria tokoa mantsy tia ny mpanota Andriamanitra, dia naniraka an’i Jesosy Kristy mba hamonjy antsika. Nefa satria halany ny fahotana, dia tsy maintsy tonga nanatona antsika ny Zanany, naka ny toetra maha olombelona antsika, nefa koa nofaizina nisolo toerana antsika noho ny fahotantsika. Ilay Olona hany tsy mendrika izany fanamelohana izany no nisolo toerana antsika, niaritra izany. Ankehitriny ny fahotana lehibe indrindra mety ataon’ny olona iray dia ny fandavana ny famelan-keloka atolony. Mbola manolotra izany ho antsika Andriamanitra, mandraka ankehitriny : tia anao Izy !