Alarobia 20 Janoary 2027

Akaiky Ianao, Jehovah ô. Salamo 119:151

Fa ilay sitrana tsy nahalala Azy… Jesosy no nahasitrana azy. Jaona 5:13, 15

 

Ilay mpifanolo-bodirindrina ao ambony rihana

Nipetraka tany amin’ny rihana fahenina tao amina trano lehibe iray ao Paris ireto mpivady tanora sy ny zanany lahy kely 5 taona. Ao ambony rihana kosa dia nisy efitrano kely manolotra ny tafo, nofaina tovolahy iray. Maika lava io tovolahy io, tsy miresaka amin’iza na amin’iza. Inona no mba ataony eo amin’ny fiainany ? Tsy dia misy fantatra loatra ny aminy, toa mahamahimahina ihany aza izy. Nefa nisy fotoana iray nahafahana nahafantatra azy bebe kokoa. Indray andro tokoa mantsy dia narary mafy ilay zazalahy kely. Fotoanan’ny fialantsasatra tamin’izay : tsy nahitana dokotera. Feno tebiteby ilay raim-pianakaviana, nitantara ny olany tamin’ny mpiandry varavarana, izay namaly azy hoe : „Anontanio ilay tovolahy ao ambony rihanareo. Mpianatra ho dokotera eo am-pamaranana ny fianarany izy. Azo antoka fa tsy handà tsy hanampy anareo izy”. Somary gaga ilay raim-pianakaviana, nefa tsy ela dia nandondòna tao am-baravaran’ilay efitrakely ao amin’ny rihana fahafito. Nikarakara avy hatrany ilay zazalahy kely ity tovolahy mpitsabo, ary nanome ny fitsaboana sahaza. Mety mihevitra ho mahafantatra an’Andriamanitra angamba ianao, ary manana petra-kevitra mialoha momba Azy ? Mety somary matahotra Azy ? Akaiky dia akaiky anefa Izy. Be fitiavana Izy, te hanampy anao amin’ny olanao. Angamba ianao mbola tsy niresaka taminy mihitsy. Ataovy izany anio, afaka manasitrana ny fanahinao marary noho ny ota Izy. Nidina Ianao, ry Tompo ! avy any amin’ny voninahitra mandrakizay, Ary naniry ny ho namanay etỳ ; Nanetry tena Ianao nanatona anay, amin’ny fitiavanao, fitiavan’Andriamanitra, Mba hanasitrana ny ratra mahafaty nahazo ny fonay. (Hymnes et Cantiques — Laharana 74, fanontana 2022)