Talata 19 Janoary 2027

Harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy ; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy. Zakaria 13:9

Esory ny taim-bolafotsy, dia hisy fanaka ho an’ny mpanao an’idina. Ohabolana 25:4

 

Fitahiana ao anatin’ny fitsapana

Fijoroana ho vavolombelona nataon’i R.H., Sidney, aogositra 1876 : „Malemy tsy afa-mihetsika aho, efa 10 taona sy 10 volana izao. Adiny 20 amin’ny 24 ora no ijanonako eto am-pandriana. Eto aho no manoratra ireto andalana ireto, mandry mitsilany, tsy afa-mihodina ankavanana na ankavia raha tsy misy manampy, tsy afaka manetsika ny tenako afa-tsy ny lohako sy ny sandriko. Tantsambo teny amina sambo iray tany Aostralia aho. Rehefa niakatra teo amin’ny tetezana fiakarana ao amin’ny sambo aho dia voasaringotra rojo ny tongotro, ka nitontona aho, ary tapaka ny lamosiko. Nanomboka tamin’io fotoana io dia tsy nihetsika intsony ny faritra ambany manontolo amin’ny vatako. Nijanona 14 volana tany amin’ny hôpitaly aho, tsy afaka niala teo amin’ny fandriako na indray mandeha aza. Tsy ampy ny fisaorako ny Tompo noho io loza io, satria novainy ho lalantsara mankany an-danitra ilay farafaram-pangirifiriana nijanonako tsy afa-nihetsika ; tsy maintsy nomontsanin’Andriamanitra ny vatako, mba hanorotoroany ny foko. Matoa aho mbola tsy nalainy ho any anilany, dia satria mbola tsy vita ny asany ato anatiko : toy ny mpanefy manadio ny volafotsy mandra-pahitany ny taratry ny endriny eo amin’ilay metaly sarobidy, ny Tompo dia manao ny asa fanadiovany ao amin’ny fanahiko, mandra-pahita ny tenany ato amiko. Fantany izay mety hatao. Hisaorana anie ny anarany masina !” Amin’ny andro misy fitsapana mangidy, ady, fangirifiriana, Rehefa tsy maintsy mitomany isika, eo ambany tanan’ny Ray, Dia aoka tsy ho kivy : momba antsika Jesosy ; Ndao handohalika, hianatra amin’io Andriamanitra lehibe sy hendry io.

 

Avelan’Andriamanitra hitranga ny fahoriana, mba hitahiany antsika ; Na oviana na oviana ny tanany tsy mandratra mba hampijaly antsika. Ny sampana rantsanany dia izay sampana tiany, Mba hamoa be kokoa eto amin’ity tontolo ity.