Alatsinainy 18 Janoary 2027

Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ny mangingina ny fanahiko. Salamo 94:17

Aroko amin’ny andro fahoriana Ianao ! Jeremia 17:17

 

Blue Monday

Ny „Blue Monday”, midika hoe „alatsinainy manga”, dia anarana vosobosotra omena ny andro heverina ho mahakivy indrindra ao anatin’ny taona. Io andro io hono dia mifanojo amin’ny alatsinainy fahatelo amin’ny volana janoary. Vanimpotoana vita fety, fiandohan’ny herinandro fiasana, andro mangatsiaka, alina lavabe (any amin’ny ila bolan-tany avaratra, mifanohitra amin’ny eto amintsika)… antony maro mamely ny toe-panahy aman-tsaina !

Eo amin’ny fiainantsika dia mety hisy andro maro mahakivy, fa tsy alatsinainy iray amin’ny volana janoary fotsiny. Maro ny „andro mahory” (Efesiana 6:13) mety hodiavin’ny mpino. Tsy mampanantena azy mantsy Andriamanitra, hoe ho mora mandrakariva ny fiainany eto an-tany.

Misy tantara ao amin’ny Baiboly (1 Mpanjaka 19) mampiseho antsika an’i Elia, izay kivy satria nitady hamono azy i Jezebela, vadin’ny mpanjaka Ahaba. Nahatsiaro tena ho irery izy, ho tsy misy mahatakatra izay manjo azy, ary ho tsy manan-kery manoloana ny fandrahonana azy, hany ka naniry ho faty. Nefa Andriamanitra, Izay tia azy, dia nanao izay hahatsapany fa mila tohanana ny toe-tsainy. Nomeny hanina izy mba hahazoany hery indray, notaominy hivoaka tao amin’ny zohy niafenany, nitenenany tamina feo malefaka, ary nampahereziny. Nasehony azy fa tsy irery izy, ary notoroiny ny lalana tokony halehany.

Androany Andriamanitra dia miteny amintsika, manazava ny lalantsika, raha mivavaka sy mamaky Baiboly isika. Asehony antsika, amina ohatra maro, fa hainy omena fikarakarana sy fampiononana, ary be dia be mihitsy aza, ireo izay miaina toejava-tsarotra, famoiza-malala, aretina, fijaliana. Ny kristiana dia afaka miteny tahaka ny mpanjaka Davida hoe : „Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’i Jehovah ; fiarovana mafy ho azy amin’ny andro fahoriana Izy. Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy” (Salamo 37:39-40).