Alahady 17 Janoary 2027

Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy ? Salamo 8:3-4

 

Fahasoavana tsy manam-petra

Andriamanitro ô, ry Mpahary ahy, iza moa aho no hiresaka aminao ? Nahoana Ianao no mitady ahy, ka manatona akaiky dia akaiky ? Ahoana no ahafahan’Ilay Andriamanitra tena masina mijery ahy ? Mahita ny fiainako, ny tsy fahombiazako, nefa dia mandray ahy mandrakariva.

 

Afaka mahafantatra Anao aho, mahare Anao miteny amiko, Nefa tsy noho izaho, na noho izay mety ho fahatsarako, Fa noho ny sarany lafo dia lafo, naloa tamin’ny alalan’ny ra Tamin’ny nahafatesan’i Jesosy, Ilay Zanakao tsy manan-tsiny.

 

Isanandro isanandro, na aiza na aiza, Dia mitoetra eo anilako Ianao, eo akaikiko mandrakariva, Tsy irery aho na oviana na oviana, tsy nafoy, Tsapa ao amin’ny fanakaikezanao ahy ny fitiavanao.

 

Mamoha ny lanitra ho ahy Jesosy ; miditra ao aho, amin’ny finoana, Fantatro fa voaro eo ambany aloky ny hazofijaliana aho, Feno fiadanam-po, vita fihavanana, manatona tsy amin-tahotra : Fitiavana sy fahasoavana Ianao, ho an’izay mino Anao !

 

Ny masonao, tsy mitsara, fa feno halemem-panahy No mipetraka eo amin’ny foko, mijery ny fahadiovany… Nanamarina ahy Ianao, tsy manana ota intsony aho, Tsy meloka intsony… Eny, namonjy ahy Jesosy !

 

Ilay Andriamanitra fahamarinana dia Andriamanitra fiadanana ihany koa, Andriamanitra fitiavana sy hamorampo, fahasoavana tsy mendrika ho azo, Tia ahy Ianao, fantatro izany, ny fiainako dia tantanan’ Ilay Andriamanitra Tsitoha, Izay afaka iresahako.
Valentine