Asabotsy 16 Janoary 2027
Ianao no hitady an’i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra. Deoteronomia 4:29
Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao. Joba 42:5
Misy hira fiderana anglisy iray atao amin’Andriamanitra, manomboka amin’ny teny hoe : „Tena te hahafantatra Anao aho, fa tsy araka izay lazain’ny olona momba Anao fotsiny”.
Angamba isika mametra ny fahalalantsika an’Andriamanitra amin’izay resaka rentsika momba Azy, amin’izay heverin’ny sasany, na amin’izay eritreretintsika. Sarotra amintsika matetika ny mahatakatra ny fomba fisainan’olona iray, koa mainka moa fa ny an’Andriamanitra ! Izy dia heverintsika amin’ny alalan’ny sivana maha olombelona antsika, sivana tena voatariky ny kolontsaintsika, ny fanabeazana antsika, ny toejavatra iainantsika. Indraindray isika dia mihevitra an’Andriamanitra ho mora tezitra, mihatakataka, henjana, na mifanohitra amin’izany, Andriamanitra tena tsara fanahy, tsy manan-teny firy hanakianana ny fitondrantenantsika.
Andriamanitra anefa dia Ilay „Andriamanitra Izay mahita” (Genesisy 16:13). Naniry mandrakariva Izy hampahafantatra ny tenany amin’ny olombelona, nefa tsy mba nanery ny handraisana Azy, na izany aza. Naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy Izy, maneho ny tenany ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Andrasany isika mba hanana faniriana hianatra hahafantatra Azy : „Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy” (Jakoba 4:8). Afaka angatahintsika Izy mba haneho ny tenany amintsika manokana. Tsy mitaky fombafomba sarotra izany ; isika tsirairay dia afaka mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza, tsy misy mpanelanelana.
Andriamanitra dia tsy voankevitra fakafakaina. Velona Izy, tia, mahare ny vavaka, mamaly izany, miasa. Ndao hisafidy hahafantatra Azy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Koa tahaka an’i Joba ao amin’ny teny androany, dia afaka milaza isika hoe tsy nahare resaka momba an’Andriamanitra fotsiny ; fa nahita Azy mihitsy, satria niresaka taminy sy nahatsapa ny fanatrehany akaiky dia akaiky antsika.