Zoma 15 Janoary 2027
Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra … manana fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:13
Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Matio 7:21
Ankehitriny, ny hoe mino an’i Jesosy Kristy dia mety hidika ho mino ny fisiany fotsiny. Tsy dia mandà loatra ny zavamisy hoe niaina Jesosy, tokontokony ho 2000 taona lasa izay, ny mpahay tantara na ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny.
Nefa midika zavatra lehibe lavitra noho izany ny atao hoe kristiana. Ny kristiana, amin’ny heviny ara-Baiboly, dia tsy voatery ho ireo milaza ny tenany ho „mpivavaka”, na ireo vita batisa. Ny hany atao hoe kristiana dia ireo manaiky hiantefan’ny hafatr’i Jesosy, mino Azy, hany ka voakasika lalina ny fony sy ny fieritreretany. Tao amin’ny fampianarany ny vahoaka, Jesosy dia niresaka lehilahy iray nitodika tamin’Andriamanitra, ary niteny hoe : „Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota” (Lioka 18:13). Ambaran’io lehilahy io tamin’izany vavaka fohy izany ny votoatin-javatra : miaiky ho mpanota eo anatrehan’Andriamanitra, ary mandray an-kalalahana sy am-pahatsiarovan-tena, tahaka fanomezana, ny famindrampon’Andriamanitra. Nanaiky ny finoany Jesosy ary nilaza tamin’ireo izay nihaino Azy, fa nody tany aminy io lehilahy io, efa „nohamarinina”, efa vita fihavanana amin’Andriamanitra. Izany no fototra fiainam-baovao miaraka amin’i Jesosy Kristy, atolotra ho an’ireo rehetra mino.
Koa ny hoe „mino”, izany, voalohany indrindra, dia midika hoe mitoky amin’i Jesosy Kristy, mino izay nolazainy sy izay nataony. Ny Baiboly no manambara an’i Jesosy sy ny hafatra nentiny. Resahiny antsika ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana tany Gologota. Ny hoe mino izay nataon’i Jesosy sy ny antony nanaovany izany dia fiekem-pinoana ampy tanteraka mba hahavoavonjy, hahafaka. Tsy ahafahana mahazo io famonjena io tsy akory ny fanaovana asa soa, fa kosa vokatry ny fiainana raisina avy amin’Andriamanitra sy iainana miaraka aminy.