Alakamisy 14 Janoary 2027

Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho ? … Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. Asan’ny Apostoly 16:30-31

Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra ? Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny. Jaona 6:28-29

 

Manao zavatra ve ?

Io fombam-piteny io dia ampiasaina indraindray mba hiantsoana an’Andriamanitra : „Andriamanitra ô, manaova zavatra hanampiana ity zanak’olombelona mahantra ity ho tafavoaka, manaova zavatra hanampiana ahy !” Tsy izany velively ka, Andriamanitra dia efa nanao ny faran’izay tratra : vitany hatramin’ny nanome ny Zanany Lahitokana, Jesosy, vitany hatramin’ny nahafoy Azy teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjena ny olombelona nikomy taminy. Tsy afaka mangataka aminy mihoatra izany isika…

Antokom-pivavahana maro no mandidy antsika hoe : „Manaova zavatra, dia ho voavonjy ianao !” Koa inona àry no hatao ? Inona no mety hahafa-po an’Andriamanitra ? Asa soa ve ? Tsia ! Tsy hahatontosa izay takin’Andriamanitra ny asa ataontsika, ary tsy hanao afa-tsy hampirehareha antsika. Fiainam-pihafiana ve ? Tsia ! Ahoana no iheverana hoe rehefa mihafy amina zavatra iray aho dia hahafaly an’Andriamanitra ? Ho afa-po ve Izy amin’ny fihafiana ataoko ? Amina fanomezana anaovana fiantrana ? Tsia ! Na tonga amin’ny ilàna azy aza ireny, dia tsy afaka hanan-danja, eo amin’ny mizanan’Ilay Andriamanitra lehibe sy masina. Fanarahana fitsipi-pivavahana ve ? Tsia ! Tsy hahafafa iray akory amin’ny tsy fankatoavako ireo didin’Andriamanitra izany, ary tsy hahafitaka an’iza na iza.

Ireo teny androany, avy ao amin’ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, dia manolotra antsika ny hany lalana hihavanana amin’Andriamanitra : tsy hoe „manao”, fa hoe „mino”. Manaiky ny tsy fahafahako manao izay hahafa-po Azy amin’ny herin’ny tenako, ary mino fotsiny ihany ilay asa nataon’i Jesosy Kristy, Izay nirahin’Andriamanitra mba hamonjy ahy, ho valin’ny toerana misy ahy. Izany no andrasan’Andriamanitra, mba hanomezany ny fahasoavany ho an’ny tsirairay matoky Azy.