Alarobia 13 Janoary 2027

Tiava ny namanao, tahaka ny tenanao. Lioka 10:27

Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy ? Ary hoy izy : Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy : Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa. Lioka 10:36-37

 

Jesosy, Ilay namako

Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy dia mitantara ny tantaran’ilay „Samaritana tsara fanahy”. Nanao tsinontsinona ny Samaritana ireo mpihaino Azy. Samaritana iray anefa no nanatona lehilahy iray voaendaka sy nilaozana naratra mafy teo amoron-dalana. Ny mpandalo hafa… dia nandalo fotsiny ihany. Na ireo mpitondra fivavahana tamin’izany fotoana izany aza, izay mety hoheverina fa nitady asa soa hatao mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, dia mody tsy nahita.

Soa ihany fa nisy ity lehilahy vahiny ity, ilay Samaritana tsy nampoizina hanao na inona na inona. Izy no nijanona, nisahirana niondrika teo amin’ilay naratra, nitsabo azy an-kamehana, avy eo dia nanankina azy tamin’olona iray mba hikarakara azy, mandra-pahasitrany tanteraka, ka nanome antoka fa handoa izay rehetra lany amin’ny fitsaboana. Eny, mendrika atao hoe „tsara fanahy” io lehilahy io : nikarakara ny „namany” (olona teo anilany) tamina fomba mampihetsi-po sy tsy nila valiny ; tia azy „tahaka ny tenany”… Nefa Jesosy dia mitaona antsika handeha lavitra kokoa ! Nampifamadihany ny anjara asa, ary nolazainy fa ny „namana” tokony hotiavina dia ilay nanampy ity naratra mahonena !

Mila olona ve aho hanampy ahy ho tafavoaka amina toejavatra tsy ahitako vahaolana ? Naratra ve aho ? Eny ! Tsy hoe ara-batana, teny antsisin-dalana tsy akory, fa naratra noho ny fiainana nanjary sarotra, vokatry ny fahotako sy ny toetran’izao tontolo lavitra an’Andriamanitra izao. Novonjena ve aho ? Eny ! Novonjen’i Jesosy, tonga tetỳ an-tany mba hanatona ahy sy hanome ny zavatra rehetra mba hanarenany ahy. Izy no namako, Izy ankehitriny no afaka tiaviko amin’ny foko manontolo, satria feno fankasitrahana Azy aho noho ny soa rehetra nataony ho ahy. „Efa mby akaiky ny Tompo” (Filipiana 4:5).