Talata 12 Janoary 2027
Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany ? Jeremia 5:31
Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. Hebreo 11:6
Nanontaniana ho ana gazety-boky iray atonta betsaka ny zanaka mpanonta asa soratra iray malaza. Tamina vazivazy sy faharanitan-tsaina, ary indraindray nisy somary fanarabiana no namaliany fanontaniana maromaro. Rehefa napetraka taminy ny fanontaniana hoe : „Inona no zava-doza ho lehibe indrindra afaka hihatra aminao ?”, dia fohy ny valinteniny, tsy nampoizina, ary nahavery hevitra : „Ny hoe misy Andriamanitra !”
Fantatr’io lehilahy io fa ny fisian’Andriamanitra dia hitondra azy ho amin’ny fampamoahana ny tenany momba ireo safidiny sy zavatra nataony. Ahoana moa no hahazo aina ? rehefa mieritreritra fa misy Andriamanitra mahafantatra ireo tsipiriany kely indrindra momba ny fiainantsika, sy manombana izany.
Lehibe ny fanontaniana momba ny fisian’Andriamanitra, fa tsy maivamaivana. Fanontaniana mampitsimbadika ny dikan’ny fiainantsika. Manjavona ny fanontaniana rehetra, ka iray ihany sisa no mibahana : inona no hitranga amin’ny andro hisehoako eo anatrehan’Ilay Mpahary ahy ? Ny Baiboly tokoa mantsy dia milaza fa fiainana tokana no hany ananan’ny olombelona tsirairay, ary tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’izany izy, aorianan’ny fahafatesany. „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Nefa amin’Andriamanitra, Izay masina, ny fahotana faran’izay kely indrindra dia efa manokatra hantsana lehibe manasaraka antsika aminy, ho mandrakizay. Andriamanitra anefa dia fitiavana ihany koa : Izy dia mamindra fo amin’ireo izay mino Azy sy mino ny Teniny, ary mitoky amin’ny ran’i Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana noho ny fahotan’izy ireo. Koa ho an’ny mpino dia vaovao mahatalanjona ny fisian’Andriamanitra ! Tsy fijerina Mpitsara tsy azo ivalozana ny fijerin’Andriamanitra ny fiainan’io mpino io, fa fijerina Ray tia. Fahasambarana toy inona moa ny mahalala fa misy Andriamanitra !