Alatsinainy 11 Janoary 2027

Inona no andrasako, Tompo ô ? Ianao no antenaiko. Salamo 39:7

Ny Tompo … mahari-po aminareo … ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. 2 Petera 3:9

 

Inona no andrasako ?

Eto amin’ity lalantsara-na tobim-pitsaboana dia misy tra-doza mitebiteby, miandry horaisina an-tanana. Eny an-tsefatsefany eny dia misy feo miantefa amin’ireo mpitsabo tototra asa, hoe : „Tsy hadinonao tsy akory aho an ?”… Eo akaikin’ity fialofana mitohy amin’ny varavaram-piangonana dia misy reny tanora iray mitrotro ny zanany, miandry homena vola… Eo anoloan’ny solosainany dia misy tanora maro matahotra mafy, miandry izay ho toerana ampianarany ao amina sekoly iray, miandry tolotra asa iray…

Feno fiandrasana ny fiainana. Fiandrasana mampitaintaina, tsy aritra, mampitebiteby, mandiso fanantenana… Iza no mba hihevitra ny olako ? Ary koa, miandry hoavy tsara kokoa isika matetika, miandry fandriampahalemana, rehefa namely nandritra ny volana na taona maro ny ady. Ireo dia fiandrasana ho an’ny fiainana ankehitriny. Fa ny fiandrasana ho an’ny fiainana hoavy kosa dia matetika mifamatotra amina tebiteby lava, amin’ny fieritreretana ny fahafatesana, raha tsy manana fahazoana antoka momba ny any ankoatra !

Andriamanitra dia afaka mamaly ireny fiandrasana rehetra ireny. Tena mihevitra ny voariny tsirairay Izy, tia antsika Izy. Noporofoiny izany tamin’ny nanirahany an’i Jesosy Kristy Zanany teto amin’izao tontolo izao, mba ho faty teo amin’ny hazofijaliana, hanafaka antsika amin’ireo tebitebintsika, amin’ireo fahadisoantsika. Dia omeny fiainana mandrakizay ny olona manaiky handray io hafatra mitory ny fahasoavany io. Mamaly avy hatrany Izy. Tsy mampiandry Izy. Andriamanitra dia mahari-po, tsy manery an’iza na iza Izy : „Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho, ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho”, hoy ny Kristy (Apokalypsy 3:20). Aza miandry ampitso tsy azo antoka, anio dia vohay ny fonao ! Afaka miteny aminy ianao hoe : „Ianao no antenaiko”.