Alahady 10 Janoary 2027
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17
„Rehefa nanjary mpidoroka zava-mahadomelina aho, dia nanjary mpangalatra ihany koa, mba hahafahako mividy kôkainina.
Mba te ho afaka misaotra ilay olona nahatratra ahy nangalatra sy nandefa ahy atỳ am-ponja aho. Atỳ dia misy fandinihana Baiboly ataona mpamangy kristiana, ny asabotsy tolakandro. Fotoana hitako io mba hivoahako ny efitrakeliko mandritra ny minitra vitsy, fa ny Tompo kosa nahita izany ho fotoana tandrify mba hisokafan’ny fo vatoko sy hamela Azy hiditra ao. Hitako ny fanomezana natolotr’Andriamanitra ahy, vehivavy mpangalatra, fanomezana maimaimpoana tanteraka ! Nandray ny Tompo Jesosy Kristy ho Mpamonjiko aho ankehitriny. Zava-mahatalanjona ny mifoha isamaraina, manana an’i Jesosy ato am-poko !
Na dia mbola atỳ am-ponja aza aho, dia afaka kokoa mbola tsy nisy toy izany. Ankehitriny aho dia tsy mivavaka intsony mba hivoahako ny fonja, fa mba hijanonako ato mandra-pahatanjaka ny finoako. Rehefa mijery ny tany aloha aho dia manontany tena hoe ahoana no nahafahako niaina tsy nisy ny Tompo, tsy nisy Ilay Mpamonjiko, na hatao hoe indray andro monja aza.
Satria aho nilazana kristiana iray hoe mba tokony hizara amin’ny hafa izany fiainam-baovao fanomezana izany, dia niresaka ny finoako tamin’ny fianakaviako. Ankehitriny dia efa nandray ny Tompo Jesosy ho Mpamonjiny manokana ihany koa ny reniko, ny raiko ary ny vadiko. Misaotra anareo ! ry anadahy sy rahavavy kristiana manerana izao tontolo izao, mampiely ny Tenin’Andriamanitra.”
Julia