Asabotsy 9 Janoary 2027
Nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely … Ary Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely tambonin’ny ondana… Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe : Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro… Ary … izy ireo … niresaka hoe : Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy ? Marka 4:37-41
Jesosy… Sasatra Izy ka natory tao anaty sambokely teo anivon’ny tafiodrivotra ; nefa rehefa nofohazin’ny mpianany Izy, dia nampitony ny ranomasina sy nampitsahatra ny rivotra tamina teny indraimbava monja.
Noraran’ny mpianany ireo izay nitondra ny zanany ho eo amin’i Jesosy ; nefa noraisin’i Jesosy teny an-trotroany izy ireny, ary nametrahany tanana sy notsofiny rano (Marka 10:16).
Nandosiran’ny olona rehetra ny boka ; Jesosy kosa nanatona azy ireny, nikasika sy nanasitrana azy (Marka 1:41-42).
Ny mpitondra fivavahana dia nanao tsinontsinona ny „vahoaka … izay tsy mahalala ny lalàna” (Jaona 7:49) ; Jesosy kosa onena ny vahoaka ka nampianatra azy ireo (Marka 6:34).
Izy, Ilay „Tompon’izao rehetra izao” (Asan’ny Apostoly 10:36), dia „tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (Marka 10:45).
Talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, Jesosy dia nanasa ny tongotry ny mpianany, ary taorianan’ny nitsanganany velona indray, dia nanomana sakafo ho azy ireo (Jaona 13:1-15 ; 21:9).
Misy olona, mihevitra fa tsy tokony hitomany raha lehilahy mahery, ary tsy tokony hanaiky hotevatevaina. Jesosy dia nitomany, ary niaritra fanevatevana nandritra ny androm-piainany. Ny ranomasony dia manambara amintsika ny maha tena olona Azy, ary ny fahari-pony nanoloana ny fanarabiana dia maneho ny halehiben’ny fitiavany !
Jesosy dia nampiasa ny heriny sy ny fahefany ho an’ny hafa, fa tsy mba ho an’ny tenany, na oviana na oviana. Ny fitiavany dia tonga hatramin’ny nanolorany ny ainy ho an’ny olona rehetra, na sakaizany na fahavalony. Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia „nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:6).
Iza moa Jesosy ? Ilay Zanak’olona, Ilay Zanak’Andriamanitra (Matio 16:13, 16), ary Ilay hany Mpamonjy : Jesosy dia Andriamanitra-Mpamonjy.