Zoma 8 Janoary 2027

Ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. 1 Petera 1:25

Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. Jakoba 1:21

 

Iza no ao ambadik’ity alimanaka ity ?

— Nanoratra taminay ny mpamaky iray hoe : „Noheveriko ho iraisam-pinoana ity alimanaka ity, izany hoe ho manana teolojia eken’ny fiangonana samihafa eto amintsika. Ao amin’ny fiangonana falehako, dia tsy tena inoana intsony Ilay Andriamanitra tezitra mitaky sorona (ny Zanany) vao afaka mamela ny helotsika… Manahirankirana ahy ny teolojianareo…”

Ireo mpanoratra ity alimanaka ity dia maniry haneho tsotra fotsiny ny hafatry ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra. Ary maro ny lahatsoratra, toy ny Isaia 53 sy Asan’ny Apostoly 8:31-35, manaporofo fa tsy mitombina ny tohan-kevitra tahaka io. Nefa izao indrindra, ny fanamarihana ataon’ny mpamaky anay, na tsara na ratsy, dia manampy anay hitoetra ho mahatoky araka ny Baiboly, sy hanilika izay fiheveran’ny tena manokana na teolojia manokana ana vondron’olona.

— Mpamaky iray hafa indray nanoratra hoe : „Namadibadika ambony ambany ity alimanaka ity aho, ary nikaroka hatraiza hatraiza izay fiangonana nipoirany ; nefa tsy nahita na aiza na aiza. Tena ny Baiboly mihitsy no iaviany, ary tsy misy afa-tsy ny Baiboly ! Fa iza moa ianareo ?”

Kristiana izahay, mino an’i Jesosy Kristy, ary anisan’ny Fiangonana aorin’i Kristy : mandraka ankehitriny Izy dia manampy isanandro ho anisany, ireo izay voavonjy satria mino Azy (Asan’ny Apostoly 2:47).

„Isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany (vatana iray ihany) ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra”, hoy ny apostoly Paoly (Romana 12:5). Satria rantsambatana velona anisan’io tena io ireo mpanoratra, dia maniry hizara ny Filazantsara : hafatra milaza famonjena sy famelombelomana ao amin’i Jesosy Kristy, Ilay Tompo. Ndao hivavaka mba hahasoa ny mpamaky rehetra ireo teny voasoratra ireo.