Alakamisy 7 Janoary 2027

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra. 2 Timoty 3:16-17

 

Inona moa ny Baiboly ?

Ny Baiboly no boky miely indrindra, eran’izao tontolo izao. Ao ny kristiana no manovo hevitra.

— Izy dia ny Tenin’Andriamanitra. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa” (1 Tesaloniana 2:13).

— Izy no fanambaran’Andriamanitra. Ireo nanoratra azy dia manambara fa nandray izany avy tamin’Andriamanitra. Ny apostoly Petera dia nanoratra hoe : „Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy” (2 Petera 1:21). Araka izany, Andriamanitra no miteny amintsika, tamin’ny alalana mpanoratra samihafa.

— Izy no Fahamarinana. Andriamanitra Mpahary antsika no miteny amintsika. Ny Baiboly irery ihany no afaka manazava ny olona momba ny toe-piainany ankehitriny sy ny hoaviny mandrakizay ; hoy Jesosy : „Ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17).

— Izy dia mandresy lahatra, izy dia mahery. Rehefa mamaky azy ny tsirairay dia afaka mahatsapa fa miharihary ireo fiheviny miafina, mifoha ny fieritreretany, voakasika ny fony, ary mifanatrika tampoka amin’Andriamanitra izy. Io Teny io dia tsy vitan’ny hoe mampahafantatra zavatra antsika, fa manova antsika ihany koa. „Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela” (Hebreo 4:12).

— Izy dia mitondra fiadanana sy faharesen-dahatra ny amin’ny fiainana mandrakizay, ho an’olona maro manovo ao ny fahazoan’izy ireo antoka sy ny antom-piainan’izy ireo.

Mety hanaitra anao ireo fanambarana ireo, nefa vakio ny Baiboly, mba hanananao ny hevitrao manokana.