Alarobia 6 Janoary 2027
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Isika rehetra dia samy tia mandre vaovao mahafaly.
Mpianatra afaka fanadinana. Namana nahita asa taoriana-na volana maro tsy nananana asa. Mpivady tanora manambara zanaka ho teraka tsy ho ela ao an-tokantranony. Nefa tsy mba ireny vaovao ireny no misongadina any amin’ny gazety. Vaovao ratsy aza : loza, herisetra, korontana, valanaretina, ady, sns.
Misy vaovao mahafaly iray tsy raharahain’ny haino aman-jery loatra matetika, ary indrisy, tsy heverin’ny olona maro koa ankehitriny. Fahiny dia nisy anjely nilaza tamina mpiandry ondry niandry ny ondriny, hoe : „Indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo” (Lioka 2:10-11).
Fanambarana anie izany e ! Mba hisy amin’izay Iray ho afaka mamonjy ahy, eo anatrehan’Andriamanitra, amin’izay sahaza ny fahadisoako rehetra, ny fahalotoan’ny foko manontolo, ary ny safidy ratsy rehetra teo amin’ny fiainako. Izy no hanala ahy avy ao amin’ny fahoriako, ny maha irery ahy, ny tebitebiko. Nefa amin’ny fomba ahoana ?
Andriamanitra dia tia fatratra ny olona, ka tsy mamela azy ireo hizotra ho amin’ny fahafatesana sy ny fitsarany, fa nanome fomba hamonjena azy ireo. Nirahiny Jesosy Kristy Zanany, mba ho faty hisolo toerana azy ireo, ka hiaritra ny sazy mendrika azy ireo.
Izao no antom-pifaliana lehibe : nanjary Mpamonjiko manokana io Mpamonjy io. Ankehitriny dia voafafa avokoa ny fahadisoako rehetra. Fiadanana sy fifaliana toy inona moa ny ahy ! Mamela ny heloko Andriamanitra, ary mandray ahy ho zanaka tiany hofenoina ny fitiavany.