Talata 5 Janoary 2027
Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina ? Joba 38:16
Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra… Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina, dia ny fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana ? Joba 37:14, 16
Misy rano 1, 4 lavitrisa kilômetatra toratelo any ho any eto an-tany. Ilain’ny aina io. Mba tsy hisy very na kely aza io ranoka sarobidy io, dia manaraka fiovana miverimberina tsy mitsahatra ny rano. Rehefa manjary etona eny amin’ny habakabaka izy, dia mihamangatsiaka sy miova ho tete madinika mitambatra ho rahona, ary milatsaka amin’ny tany (ranonorana), satria sarihin’ny tany. Araka izany, ny rano dia tsy mijanona ho etona eny amin’ny habakabaka eny, koa dia manana planeta manana hafanana antonona tsara isika, tsy mafana tsy mangatsiaka, mando ary mety amin’ny aina.
Ilain’ny aina ihany koa ny rivotra manodidina ny tany (atimosifera) sy ny andriambim-bolan-tany (magnétosphère). Raha tsy eo ireo dia tsy mitsahatra ny hovoadoro sy hovelesin’ny rivotry ny masoandro isika ary hianjeran’ny sila-kintana (météorite).
Araka izany, Andriamanitra dia namorona ny atimosifera mba ho fefy hiarovana ny tany ka hahafahan’ny aina hivelatra ao. Afaka miteny toa an’i Davida isika hoe : „Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany” (Salamo 19:1).
Izany fahariana mahagaga izany koa dia porofo iray momba ny fisian’Andriamanitra. Ny Baiboly dia milaza amintsika „fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1:20). Ndao hino izay lazain’ny Baiboly antsika : misy Ilay Andriamanitra Mpahary. Io Andriamanitra io dia tia antsika, noporofoiny izany tamin’ny nanirahany an’i Jesosy Kristy Zanany teto amin’izao fahariana izao, mba ho famonjena mandrakizay ny olombelona rehetra mino Azy.