Alatsinainy 4 Janoary 2027

Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra. Titosy 2:11

 

Ny kristiana sy ny ady

Malahelo isika mahita ny ady mihamaro eto amin’izao tontolo izao. Ary isika dia tsy afaka ny tsy hiraharaha ny fijalian’ny olona izay miaritra ny ady eo amin’ny taniny. Koa mety ho sarotra ny tsy homba ny antoko andaniny na ny ankilany, arakaraka ny fironana na ny faharesen-dahatra ao anatintsika. Isika, aza, mety hirary mihitsy ny hanapotehana ireo izay heverintsika ho tompon’andraikitra mahatonga fanararaotam-pahefana.

Izany no nangatahina mpianatra roa lahy tamin’i Jesosy, tao amina tanàna iray tany Samaria, hoe : „Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy ? Fa Izy (Jesosy) nitodika, dia niteny mafy azy ka nanao hoe : Tsy fantatrareo ny toetran’ny fanahy izay anareo” (Lioka 9:54-55).

Izao dia andro fahasoavana, fa tsy andro fitsarana. Izany fahasoavan’Andriamanitra izany, izay mitondra famonjena, dia atolotra ho an’ny olona rehetra. Iraka solon’ny Kristy ho amin’izany ny kristiana. Mahasahana izao tontolo izao ny hafatry ny Filazantsara. Mahay manova ny fon’ny olona io hafatra io, ary mahay manorina firahalahiana vaovao. „Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy” (2 Korintiana 5:17). „Amin’izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy… na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra” (Kolosiana 3:11).

Ry kristiana ! ndao hahatsiaro fa ny olona rehetra tsy ankanavaka dia mila hoentina eo amin’ny Kristy. Tsy misy tokony hoheverina ho fahavalo.