Alahady 3 Janoary 2027
Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68
Inona no inoana ? Iza no inoana ? Fanontaniana fototra eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay izany. Nahoana no teny iray fa tsy iray hafa ? Nahoana no Ilay Andriamanitry ny Baiboly ? Ny finoana ny Baiboly dia safidy tena mitombina, satria Andriamanitra nanome porofo fa maneho ny tenany amin’ny alalany (porofo anisan’ireo ny faminaniana efa tanteraka). Mifanohitra amin’ny filôzôfia, ny Baiboly dia manolotra fahamarinana mirindra, tokana, tsy miovaova.
Raha manaiky hifandray amin’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy mandalo amina dingana fototra : miaiky ny faharatsiana ao anatintsika sy mandray ny fanafana natolotr’Andriamanitra ho amin’izany, dia Jesosy Zanany, maty nisolo toerana antsika mba hanafaka antsika amin’ny ota. Io dingana io, antsoin’ny kristiana hoe ny „fiovam-po” (Asan’ny Apostoly 3:19), dia tsy maintsy atao mba hananana ilay fifandraisana Ray-sy-zanaka atolotr’Andriamanitra, hiarahana miaina aminy, sy mba hahazoana fiainana mandrakizay, dieny ankehitriny.
Dia hisy dikany ny fiainantsika ! Mazava ho azy fa mbola hisy hatrany zavatra saro-takarina, nefa raha manana an’Andriamanitra ho Raintsika isika, raha manana fifandraisam-pitiavana aminy, dia ho afaka manaiky ny valiny omeny indraindray hoe : „Matokia Ahy, aza manahy, tia anao Aho ary manao ireo safidy tsara ho anao, ho hitanao izany aoriana kely.”
Manasa antsika Izy hiaina miaraka aminy fiainana misy dikany feno, fiainana ho Azy sy mahasoa ny hafa. Raha manaiky izany fanasana izany isika, dia ho afaka miaina ny tenin’i Jesosy hoe : „Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony” ; izany no „fiainana… be dia be” (Jaona 7:38 ; 10:10).
(tapitra)