Asabotsy 2 Janoary 2027

Ny zavatra rehetra samy nataony (nataon’Andriamanitra) ho mendrika amin’ny fotoanany avy ; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Mpitoriteny 3:11

 

Ny dikan’ny fiainana (1)

Ny olona, izay zavamananaina aina mahatsapa tena, dia nitady mandrakariva ny dikan’ny fisiany, ary miverimberina efa hatramin’ny fahagola ireo fanontaniana tsy miova : inona no ataontsika eto an-tany ? Misy Andriamanitra ve ? misy andriamanitra maro ve ? misy zavamananaina aina avo kokoa noho ny olona ve ? ho nahary izao tontolo izao sy nametraka antsika teto. Nahoana ? Misy zavatra hafa ve aorianan’ny fahafatesana ?

Mampihetsi-po ny mieritreritra hoe ireo razantsika tany alohabe tany dia efa nametraka ireo fanontaniana ireo, teo ambany lanitra rakotra kintana na nanoloana ireo ranomasimbe midadasika. Ireo antokom-pivavahana sy ny filôzôfia dia nanandrana nitondra valiny ; tena maro isan-karazany izy ireo, ary misy mifanohitra mihitsy aza. Ny siansa ihany koa dia nitady, ary manazava amin’ny ampahany ny fomba fizotran’ny manodidina antsika, nefa tsy mihambo hamaly ireo „nahoana”-ntsika. Ny siansa dia manolotra valiny ho an’ny „amin’ny fomba ahoana”-ntsika fotsiny.

Nefa kosa, efa hatramin’ny taloha indrindra, misy boky iray mamaly ireo fanontaniantsika, dia ny Baiboly. Ohatra, izy dia mamaly ny fanontaniana hoe : nahoana no misy ny ratsy eto amin’izao tontolo izao ? Ny bokiny voalohany, ny Genesisy, dia manazava ny fomba nahatafiditra ny ota teto an-tany (toko faha-3). Misy ve Andriamanitra ? Izy tenany mihitsy no mamaly hoe : Eny, misy Aho, jereo ny manodidina anao, ity planeta mahafinaritra ity, irindran’ny zavatra rehetra mba hivelomana ao (Salamo 104:24) !

Misy fiainana ve aorianan’ny fahafatesana ? — Eny, hoy ny avalin’Andriamanitra. Ny fahafatesana dia fiafaran’ny vatana fotsiny ihany (Mpitoriteny 12:7). Tsara ve Andriamanitra ? — Jereo ny manodidina anao, izay noarìko ho fahafinaretanao (Asan’ny Apostoly 14:15-17) ! Ahoana no handravonana ny olana momba ny ratsy eto amin’izao tontolo izao ? — Jereo sahady ny ao anatin’ny fonao, hoy Andriamanitra, efa ao koa ny ratsy (Romana 7:18) ! Tianao hiova ve izany ho anao ?

(hitohy)