Zoma 1 Janoary 2027
Fa aiza ary ny fanantenako ? Ary iza no mahita azy ? Joba 17:15
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra, amin’ny finoanareo. Romana 15:13
Androany izahay dia mirary fahasambarana, fahasalamana, filaminana, ary koa fiadanana sy fifaliana ho an’ny tsirairay, na eo aza matetika ny trangan-javatra sarotra iainana. Hatramin’ny nieritreretan’ny olona ny amin’izany tokoa mantsy, dia toa nofinofy ihany ny fanantenana hahita vahaolana amin’ny fahantrana, famoretana ary tsy fahamarinana.
Nefa resahin’ny Baiboly antsika Ilay „Andriamanitry ny fanantenana” (Soratra Masina androany), Izay mamela ny olona rehetra samihafa fiaviana, efa hatramin’ny taonarivo maro, hanana fanantenana na inona na inona zava-mitranga. Io Andriamanitry ny fanantenana io no namorona izao tontolo rehetra izao sy izay rehetra eo aminy. Manome aina ho an’ny rehetra Izy, ary mihazona izany (Asan’ny Apostoly 17:24-25). Mandraka ankehitriny isika dia mbola misitraka tsy tapaka ny fanomezana maro atolony. Mbola ambaran’ny Baiboly fa „Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina” (Matio 5:45).
Koa iza àry no afaka hamaly izay andrasantsika, sy ireo faniriana sarobidy indrindra amintsika ? raha tsy io Andriamanitra tia ny olombelona io, ary mitoetra eo anilany, mihaino azy sy te hameno fifaliana ny fony (Asan’ny Apostoly 14:17).
Eny, ankoatra izay ilaina eo amin’ny fiainana, dia te hanome antsika fiadanana sy fifaliana Izy. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga tetỳ an-tany, dia maniry ny hananan’ireo izay mino Azy ny fifaliany ao anatin’izy ireo, ary mba ho feno tanteraka izany (Jaona 15:11). Ho amin’izany no nijaliany sy nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Teo Izy no nitondra ny sazin’ireo fahadisoantsika, izay nanakana antsika tsy hanana fanantenana ho sambatra miaraka amin’Andriamanitra.
Jesosy, Izay nitsangana velona indray, no hany fanantenan’ireo izay mino Azy. Ny irinay dia ny hahafahan’ny mpamaky tsirairay miara-manana aminay izany fanantenana azo antoka sy velona ary tsy mamitaka izany.