Alakamisy 31 Desambra 2026

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Jaona 14:6

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

 

Jesosy

Jesosy no Ilay Sakaiza faratampony, Sakaiza mamy ho an’ny foko ; Jesosy no Ilay tia ahy, Fialofako sy Mpamonjiko.

 

Jesosy Kristy no Fahazavana Izay tonga hanazava ny diako, Mba tsy hania ny tongotro Eo am-pandehanana etỳ ambonin’ny tany.

 

Jesosy no Ilay Fitiavana mahatoky, Fitsaharako etỳ an-tany etỳ ; Izy no Fiainana mandrakizay Ary mitondra ahy ho amin’Andriamanitra.

 

Jesosy no Fanantenako : Tsy ho ela dia ho tonga avy any an-danitra Izy Haka ahy ho eo amin’ny fanatrehany Ao amin’ny fitsaharana mandrakizay.

 

Ry Fanantenako, ry Zava-drehetra ho ahy, ry Fiainako, Ry Jesosy, Fahazavana, Fitiavana, Hanome voninahitra Anao anie aho etỳ, Eto am-piandrasana ny hiverenanao !