Alarobia 30 Desambra 2026

Ny olona dia tahaka ny zava-poana, ny androny dia tahaka ny aloka mihelina. Salamo 144:4

Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry. Salamo 90:12

 

Manajanona ny fotoana ve ?

„Ry fotoana ô ! ampiatoy ny fanidinanao ; ary ianareo, ry ora mahamety ! ajanony ny dianareo”. Ao amin’ireo andalan-tononkalo nalaina tamin’ilay tononkalo malaza „Ny farihy” ireo, i Lamartine (1790-1869) dia mangirifiry manambara ny fotoana mitsoaka tsy hay tohaina sy ny fotoam-pahasambarana eo amin’ny fiainana, tsy vitany ny mampaharitra azy.

Manomboka amin’ny andro nahaterahany, ny olona dia efa miaina ny segondra, ny ora, ny taona miroso tsy hay sakanana. „Ny andronay rehetra efa lasa… fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay” (Salamo 90:9-10). Na toa fohy aoka izany aza, araka ny fijerintsika, ny fotoana andalovantsika eto an-tany, dia fanomezan’Andriamanitra anefa : „Efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko” (Salamo 39:5). Izany androm-piainana mihelina sy marefo izany dia nomen’Andriamanitra antsika, mba hihaonantsika aminy, hahitantsika ny fitiavany, handraisantsika an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjintsika, hahasambatra antsika. Aza avela handalo fotsiny izany fihaonana iankinan’aina izany, satria „tsy mahalala ny ho ampitso ianareo” (Jakoba 4:14).

Rehefa nifanena tamin’i Jesosy isika, dia manjary fotoana tsy manam-paharoa hararaotina mba hanompoana Azy ny andro tsirairay ahavelomantsika. Aoka isika tsy hangidy mamisavisa lasa nampangirifiry na fotoana navelantsika handalo fotsiny, ary aoka tsy halahelo mieritreritra fotoana nahafaly kokoa. Aoka ihany koa isika tsy hanao fampanantenana mendrika eo anatrehan’Andriamanitra, ho ana ampitso tsy azo antoka. Ndao hiaina ny „anio”-ntsika miaraka amin’i Jesosy, omban’ny vavaka amin’ny fotoana rehetra, hoe : „Tompo ô, fenoy ny fitiavanao aho, ary omeo ahy ankehitriny ny hery hitiavana, hanompoana Anao, ho vavolombelonao, hitsaoka Anao”.