Talata 29 Desambra 2026
Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana … ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16-17
Ny Baiboly dia manambara amintsika toejavatra lehibe hanova ny fizotran’izao tontolo izao, nefa toa tsy mahaliana ny olona. Tsy miraika amin’izany ny mpahay siansa sy ny mpanao pôlitika, tsy miresaka izany mihitsy ny haino aman-jery. Izany toejavatra hitranga izany dia ny fiverenan’i Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana 2000 taona lasa izay, ary nitsangana velona indray. Hiverina Izy haka ho any an-danitra ireo rehetra nino Azy, sy hanatanteraka ny fampanantenany hoe : „Ho avy indray (Aho) ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3).
Ry kristiana namana, inona no akon’io fampanantenana io ao am-pontsika ? Isika ve miandry ny Tompontsika toy ny hoe ho avy rahampitso Izy… na anio ? Tsy nanondro ny daty mazava hiverenany Jesosy, mba haha vonona antsika amin’ny fotoana rehetra, ao anaty fihetsika miambina sy mivavaka, ary mijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra.
Ary raha misy mpamaky tsy mahatsapa ho voakasik’izany toejavatra hitranga izany, ka manao hoe : „Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany ?”, dia taominay izy hihaino izao teny izao : „Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany… fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:4, 9). Eny, mandraka androany Andriamanitra dia manolotra ny fahasoavany ho an’ny olona rehetra. Tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy mba hanatanteraka ny asa manafaka amin’ny fitsarana ireo rehetra mino Azy. Mitana ny teniny Andriamanitra, ho tanteraka ny teny fikasany. Ndao androany handray ny tanany mitsotra, satria „indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2).