Alatsinainy 28 Desambra 2026
Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12
Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9
Niteraka fihevitra maro ny fiampitana ho amin’ny taonjato faha-21. Inona no hoentin’ity kihon-dalan’ny taonarivo ity ? Hitondra ho amina hafinaretana, fiadanana, fifampizarana be kokoa ve ? sa ho amina ady be kokoa, fandravana ny tontolo iainana be kokoa… ?
Mifarana ny taona 2026, samy afaka mamaly ny tsirairay… nefa Andriamanitra irery no mahafantatra ny hoavin’ny zanak’olombelona. Milazalaza izany Izy ao amin’ny Baiboly, nefa mametraka eo anoloan’ny tsirairay ny fahafahany sy ny andraikiny. Tsy mandamina ny hoavintsika eto an-tany Andriamanitra, fa mitaona antsika kosa hanomana ny hoavintsika any ankoatra. Ho inona io hoavy io ? Fahasambarana eo amin’ny fanatrehan’ny Tompo ve ? ho an’izay matoky Azy ; sa fahalavirana mandrakizay an’Andriamanitra ? ho an’izay tsy miraharaha ny fitiavany.
Ambaran’ny Baiboly antsika ihany koa fa, indray andro any dia hiverina eto an-tany Jesosy. „Ny maso rehetra hahita Azy” (Apokalypsy 1:7). Izay rehetra nolazain’Andriamanitra dia ho tanteraka avokoa, rehefa miverina ny Tompo.
Ny kristiana tsy akory tsy miandry fiovan’izao tontolo izao, fiovana mahagaga hahatonga tampoka ny zavatra rehetra ho tsara sy ny olona ho sambatra. Mifanohitra amin’izany aza, fa hisy fitsarana mampivarahontsana eto an-tany, mialoha ny fametrahana ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakana itoerana fiadanana sy fahamarinana. Hiverina ny Kristy, mba hitsara ny olona. Noho izany dia maika ny hiomanana hihaona aminy. „Andriamanitra… ankehitriny … mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asan’ny Apostoly 17:30-31).