Alahady 27 Desambra 2026
Ary androtr’izay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy (Jesosy) taminy : Andeha isika hita ho eny ampita. Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’io sambokely io tamin’izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. Ary nisy tafiodrivotra mahery. Marka 4:35-37
Araka ny baikon’i Jesosy dia niondrana an-tsambokely ny mpianatra, hiampita ny farihin’i Genesareta, ary nitondra Azy niaraka tamin’izy ireo. Sasatra Jesosy noho ny asa be nandritra ny tontolo andro, ka natory teo am-bodin’ny sambokely. Nisy tafiodrivotra mahery, ka efa niditra tao anaty sambokely ny rano ; velona ny hitakitaka. Nefa Jesosy natory, toa tsy nahatsapa na inona na inona ! Nisavoritaka ny mpianatra, ka namoha Azy. Koa nitsangana Izy, ary nandidy ny rivotra sy ny ranomasina hitony. Dia niverina teo no ho eo ny fahatoniana.
Misy tsipiriany lazaina ao amin’ny Filazantsara : nisy sambokely hafa teo amin’ny farihy. Noho ny herin’ny voary nisafotofoto dia sambokely maro no nahilangilan’ny rivotra sy ny onjan-drano. Inona no nampiavaka ny sambokelin’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny sambokely hafa ? Tena tsy misy na inona na inona, raha jerena etỳ ivelany. Niharan’ny tafiotra toy ireo sambokely rehetra ihany. Goavana anefa ny fahasamihafana. Tao anatin’io sambokely io, ary tao ihany, no nisy Ilay manana fahefana feno amin’ny herin’ny voary vita Nanahary !
Voamariky ny fijaliana izao tontolo izao. Misedra zava-tsarotra ny mpino, toy ny olombelona rehetra. Mahatratra azy koa ny tafiodrivotry ny fiainana, mandritra ny diany mankeny „am-pita”, izany hoe mankany an-danitra fonenany. Iharan’ny aretina ihany koa izy, mandalo fisaonana sy fitsapana isan-karazany. Nefa na mahery aza ny tafiodrivotra, dia eo Ilay mahafehy ny zavatra rehetra, eo anilany. Toa matory Jesosy indraindray, ary very hevitra isika, nefa tsy hamela ny sambokely ho rendrika Izy, fa hitondra antsika ho any amin’ny tanjona !