Asabotsy 26 Desambra 2026

Izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo, ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana … Ny Tompo … mahari-po aminareo …, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. 2 Petera 3:7, 9

Andriamanitra dia fitiavana. 1 Jaona 4:8

 

Vonona ho amin’ilay fihaonana lehibe ve ?

Manoloana ireo zava-tsarotra mianjady amin’izao tontolo izao, ny kristiana dia tsy manoa an-jamba fotsiny ny lahatra. Fantany fa marina izay lazain’ny Baiboly, ary tsy maintsy ho tanteraka. Fantany izany, satria Andriamanitra tsy mba mandainga, ary hatreto dia tonga avokoa izay rehetra nolazain’ny Baiboly.

Tsy hoe hiandry fotsiny ny fiafaran’izao tontolo izao ka tsy hihetsika, fa vonona kosa hanambara amin’ny mpiara-belona amintsika ny vaovao tsara dia tsara manambara ny famonjena. Jesosy tsy akory tsy mangataka antsika hanova ny fiarahamonina, fa hilaza kosa amin’ny rehetra ny fanafahana atolotr’Andriamanitra ny tsirairay, noho ny fitiavany lehibe aoka izany. Io Vaovao Mahafaly io dia tsy fampiasana tetika mba hanerena ny olona hanova fijery izao tontolo izao. Tena voafetra ny vokatra fikasana toy izany. Ny Vaovao Mahafaly dia hoe Andriamanitra tia ny lehilahy, ny vehivavy ary ny ankizy toa antsika izao, izay tsy mpankatò anefa. Tonga nanaporofo izany Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, nizaka ny fitsaran’Andriamanitra sahaza antsika. Izay mino ny sorona nataony dia mahazo antoka fa voavela heloka noho ireo fahadisoany, ary mandray aina vaovao izay ahazoana tombontsoa raha iainana dieny androany, eo am-piandrasana ny fahasambarana lavorary eo amin’ny fanatrehany.

Maika izany. Apetraka amin’ny tsirairay ny fanontaniana hoe : Ianao ve efa voavonjy ? manana antoka ny amin’ny hoavinao mandrakizay ve ? Efa nandray an’i Jesosy ao am-ponao ve ianao ? Zavatra iray no azo antoka : tsy maintsy hampamoahin’Ilay nahary antsika isika, rehefa mifarana ny fiainantsika : „Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Koa „miomàna hihaona amin’Andriamanitrao” (Amosa 4:12). Aleo atao avy hatrany izany, satria tsy tompon’ny fotoana manaraka isika.