Zoma 25 Desambra 2026

Ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika : „Amintsika Andriamanitra”. Matio 1:23

Ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra. Lioka 1:35

Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika. Jaona 1:14

 

Amintsika Andriamanitra

Arivo taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia nanorina tempoly ho an’Andriamanitra i Solomona, araka izay nolazain’Andriamanitra an’i Davida rainy. Hatrizay tokoa mantsy Andriamanitra dia te honina mandrakariva miaraka amin’ny olona. Tamin’ny nitokanana ny tempoly dia nisy rahona nameno ny trano, ary tsy nisy olona afaka niditra, satria tao Andriamanitra. Koa niteny tamin’Andriamanitra i Solomona hoe : „Andriamanitra va dia honina amin’ny olona etỳ an-tany tokoa ? He ! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity !” (2 Tantara 6:18). Ny fanatrehan’Ilay Andriamanitra lehibe Mpahary dia nampisy fanajana, fahatahorana, ary ny olona tsy maintsy nijanona teny lavitra eny…

Nefa toy inona kosa moa ny fiovana ! dieny vao niandoha ny tantara raketin’ireo filazantsara. Izany no ilay fotoana tena honenan’Andriamanitra tokoa miaraka amin’ny olombelona ; tsy tamina fisehoana feno zava-miafina sy manohina intsony, fa tamin’ny nahatongavany Izy tenany ho olona mihitsy. Io Andriamanitra lehibe, Andriamanitry ny lanitra io, nanao ahoana moa no nisehoany tetỳ an-tany ? Tahaka mahery fo mpanafika sy mpanjakazaka mampanaiky an’izao tontolo izao ny fahefany ve ? Ndao hihaino izay nolazain’ilay anjely an’ireo mpiandry ondry : „Aza matahotra… fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio … dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo : ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona” (Lioka 2:10-12). Tsy natahotra velively ireo mpiandry ondry —zazakely ve dia atahorana ? —, fa lasa nandeha haingana nankany Betlehema, mba hahita Ilay Zanak’Andriamanitra tonga tam-panetrentena teto amin’ity tontolo ity.

Tokony ho 2000 taona lasa izay dia nanakaiky antsika Andriamanitra, nanatona akaiky dia akaiky antsika. Teraka Jesosy, Ilay Mpamonjy. Anio Izy dia te hiditra eo amin’ny fiainantsika, ao am-pontsika. Ndao handray Azy am-pifaliana !